A propos

  • +261 32 65 673 35
  • contact@represa-madagascar.com
  • Lot VK 36 Morarano Ambohitsoa
Momba ny

REPRESA Madagasikara :

REPRESA

Ny tetikasa REPRESA dia mikendry ny hahatakarana sy hampihenana bebe kokoa ny loza ateraky ny rivodoza tropikaly eto Madagasikara, Malawi ary Mozambika — firenena telo tena marefo amin’ireo karazana voina voajanahary.

Tao anatin’ny taona vitsivitsy, niteraka fahaverezan’aina, faharavana ara-toekarena ary fifindra-monina an-terisetra ireo rivodoza toy ny Idai (2019) sy Freddy (2023), ka nahatonga ny fitomboan’ny faharefoan’ireo mponina efa marefo.

Na dia efa misy aza ny rafitra fampandrenesana mialoha (SAP), mbola maro ny fetrany satria tsy mandrakotra tanteraka ny loza mifameno toy ny orambe, rivotra mahery, ary tondradrano mitambatra.

Mitondra fomba fiasa vaovao ny REPRESA amin’ny alalan’ny famolavolana modélisation climatique avo lenta, fanadihadiana ny faharefoan’ny fiarahamonina, fanentanana ifotony, ary fanamafisana ny fahaiza-manao eo an-toerana.

Tanjona manokana ho an’i Madagasikara :

  • Mamolavola modely maminavina ny loza ateraky ny rivodoza sy ny tondradrano, miaraka amin’ireo fiantraikany izay manao tohy vakana.
  • Mandinika ny faharefoan’ny fiarahamonina amin’ny sehatra maro (fambolena, jono, fanabeazana, fifindra-monina...).
  • Miara-mamolavola rafitra fampandrenesana mialoha miatrika loza maro, mifototra amin’ny siansa sy ny fahalalana eo an-toerana.
  • Manavao eo amin’ny lafiny fanombanana ny loza mitambatra sy ny paikady fanarenana sy fanalefahana.
  • Mampandroso politika amin’ny alalan’ny tolo-kevitra avy amin’ny fikarohana.

Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka eo an-toerana sy amin’ny faritra, ny REPRESA dia manantena ny hamela lova maharitra: fitaovana matanjaka, fiarahamonina vonona kokoa, ary fahaiza-manao nohamafisina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny ho avy.

REPRESA

Fanombanana modely amin’ny loza voajanahary marolafy mifandraika amin’ny rivodoza sy ny tondradrano

Mikendry ny hanatsara sy hampihatra modely ara-toetrandro sy hydrodynamika avo lenta ny tetikasa, mba hahafahana manombana marina kokoa ny loza ateraky ny rivodoza sy ny tondradrano. Asongadina manokana ao anatin’izany ny loza mitambatra sy ny fiantraikany mifamatotra (cascade) eto Madagasikara.

Mandalina ny angon-drakitra ara-potoetrandro sy ara-tontolo iainana mba hahatakarana tsara kokoa ny fitondran-tenan’ny rivodoza sy ny fiantraikany marolafy amin’ireo rafitra marefo.

Fanombanana ny faharefoan’ny fiarahamonina sy ny fahaiza-manaony miatrika fiovana amin’ny sehatra isan-karazany

Atao ny fandinihana lalina ny faharefoana ara-tsosialy, ny fomba fijery sy fahatakaran’ny mponina ny loza, ary ny fahaizan’ny fiarahamonina manarina sy manohitra. Asiana lanjany manokana ny safidy sy paikady azo tanterahina eo amin’ny sehatry ny fambolena, jono, fanabeazana, fotodrafitrasa ary fifindra-monina.

Tanjona ihany koa ny hamantarana ireo lafin-javatra lehibe mahatonga loza sy ireo antony ara-tsosialy sy toekarena mamaritra ny faharefoana, mba hahafahana mitarika fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy sy manokana.

Fampandrosoana sy fanamafisana ny rafitra fampitandremana mialoha amin’ny loza marolafy sy ifotony

Miara-mamolavola sy mitsapa rafitra fampitandremana mialoha vaovao, mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny kolontsaina an-toerana, mampifandray amim-pahombiazana ny siansa sy ny fahalalana nentim-paharazana.

Miantoka fa ireo rafitra ireo dia mampitombo ny haavon’ny fiomanana, manamora ny fandraisana andraikitra haingana ary manatsara ny fahaiza-mifanaraka amin’ny loza amin’ny sehatra ifotony sy faritra.

Fanavaozana ny fomba fanombanana ny loza mitambatra sy ny paikady fanalefahana

Mamolavola rafitra famakafakana vaovao, izay mampiditra ireo loza mitambatra toy ny rivodoza sy ny tondradrano, miaraka amin’ny faharefoana ara-tsosialy sy toekarena, ny fahaiza-manao eo amin’ny rafitra ara-panjakana, ary antony hafa manan-danja.

Tanjona ny manombana ny fahombiazan’ny paikady fanalefahana sy fanarenana amin’ny sehatra tsirairay, mba hahafahana mitarika paikady azo averina sy azo zatra ampiharina amin’ny sehatra maro.

Fampahafantarana politika sy paikady ho an’ny faharetana, mifototra amin’ny porofo sy vokatry ny fikarohana

Manangona sy mandinika ny vokatry ny fikarohana ara-tsiantifika sy ny fahalalana avy amin’ny fiarahamonina mba hanomezana soso-kevitra mazava ho an’ireo mpanao politika sy mpisehatra teknika.

Manohana ny fampidirana paikady fanalefahana sy fanarenana amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, jono, fanabeazana, fotodrafitrasa ary fifindra-monina ao anatin’ny drafitra nasionaly momba ny fihenan’ny loza sy ny politika momba ny fampandrosoana.

REPRESA

Fanamafisana ny Rafitra Fampitandremana mialoha ho an’ny Vondrom-piarahamonina

Ato amin’ny REPRESA Madagascar dia miasa izahay amin’ny fikarohana, fananganana, ary fanatsarana ny rafitra fampitandremana mialoha ho an’ny vondrom-piarahamonina, mba hanamafisana ny fahaizan’ny mponina miatrika loza voajanahary.

Zava-dehibe ireo rafitra ireo amin’ny fanomezana fampitandremana haingana sy marina momba ny tafio-drivotra, tondra-drano, sy loza hafa vokatry ny toetr’andro. Miaraka miasa akaiky amin’ny vondrom-piarahamonina izahay ary mamolavola ny fomba fiasa mifanaraka amin’ny filany manokana mba hampihenana ny fahavoazana. Manome hery ny vondrom-piarahamonina izany mba hiomanana sy hanehoana fandraisana andraikitra haingana amin’ny loza atrehina.

Fifindran-toerana sy fifindra-monina Vokatry ny Toetr’andro

Mitombo hatrany ny olan’ny fifindra-monina vokatry ny toetr’andro, ka ilaina ny vahaolana mirindra sy mandray an-tanana ny rehetra. Manohana ny vondrom-piarahamonina nafindra toerana sy ny mpifindra monina ny REPRESA Madagascar amin’ny alalan’ny fanomezana loharanon-karena ilaina sy ny fahafahana ara-toekarena any amin’ny toerana vaovao misy azy ireo.

Miaraka amin’ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpiara-miombon’antoka lehibe, manamora ny fampidirana azy ireo eo amin’ny fiaraha-monina izahay, mampihena ny fifanolanana mifandraika amin’ny loharanon-karena, ary manampy azy ireo hanangana indray ny fiainany sady mandray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra amin’ny faritra mandray azy ireo.

Fanatsarana ny fomba fiasa mifanaraka amin'ny fiovan'ny toetrandro fiasa rehefa misy tranga hisian’ny Loza Maro

Misy loza maro samihafa miara-miseho eo amin’ny tontolo iainana, zava-dehibe ny mamolavola paikady natsaraina sy mahomby. Miara-miasa amin’ny vondrom-piarahamonina, ny manam-pahefana, ary ny mpahay siansa ny REPRESA Madagascar mba hamantarana sy hampiharana paikady manaraka ny fiovan’ny toetrandro izay mijery manokana ny loza samihafa.

Manampy ny vondrom-piarahamonina izahay hanamafy ny fahaizany hiatrika toe-javatra toetr’andro isan-karazany amin’ny fomba mirindra izay miantoka ny fiarovana maharitra.

Fomba Fijery Miharo (Intersectionelle hoy ny teny baiko)

Fantatray fa samihafa ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fomba iatrehan’ny olona ny loza eo amin’ny vondrona isan-karazany. Mampiditra fomba fijery miharo izahay izay mandinika ny iainan’ny tsirairay sy ny filan’ny rehetra toa ny vehivavy, ankizy, olon-dehibe, ary ny vondrona marefo.

Amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fandraisana anjara sy ny rariny dia ataonay vaindohan-draharaha ny fampandrenesana ny feon’ny tsirairay ary ny vahaolana aroso dia ara-drariny. Ny fandaharan’asa fiofanana sy fanentanana ataonay dia natao ho azon’ny rehetra idirana, mba hahazoan’ny vondrom-piarahamonina ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ilaina hiatrehana ny loza vokatry ny toetr’andro amin’ny fomba mitovy sy marina.

Ireo mpamatsy vola

Ireo mpandrafitra ny tetikasa eto Madagasikara

Mpiara-miasa any ivelany