- REPRESA (Resilience and Preparedness to tropical cyclones across Southern Africa) dia tetikasa isam-paritra momba ny fanajariana sy ny fanoherana ny fiovan’ny toetrandro, mifantoka amin’i Madagasikara, Mozambika ary Malawi.
Vatsian’ny FCDO sy IDRC amin'ny alalan'ny CLARE (Climate Adaptation & Resilience), ny tanjony dia ny hanamafisana ny fahaizan’ny fiaraha-monina, ny andrim-panjakana ary ny sehatra siantifika hiatrika sy hamaly ny rivo-doza sy ireo voka-dratsiny miverina.
- Fampivoarana rafitra fampandrenesana mialoha mifototra amin’ny fiantraikany
- Fanatsarana ny « modélisation climatique et hydrodynamique à haute résolution»
- Fiaraha-mamorona paikady fanajariana miaraka amin’ny fiaraha-monina marefo
Maharitra 42 volana (volana jona 2023 – novambra 2026) ny tetikasa REPRESA.
- Andrim-pampianarana mitarika:
- Oniversiten’i Witwatersrand (Afrika Atsimo)
- Oniversiten’i Eduardo Mondlane (Mozambika)
- Oniversiten’i Bristol (UK)
- UK Met Office, Hadley Centre
- ECMWF (Centre européen pour les prévisions météorologiques à moyen terme)
- Oniversiten’i Reading
- Sampan-draharaha momba ny toetrandro sy fitantanana loza (Madagasikara, Malawi, Mozambika)
- ONG eo an-toerana (isan'izany ny ARAKE, mpiara-mitarika ao Madagasikara)
- Oniversite sy manampahefana
- Climate Centre de la Croix-Rouge
- Fiaraha-monina marefo amin’ny rivo-doza sy ny tondradrano
- Vehivavy, ankizy, mponina nafindra toerana sy mpifindra monina
- Sampan-draharaham-panjakana, mpitantana loza voajanahary, ONG sy mpanome fanampiana
- Mpikaroka, mpikarakara tetikasa ary matihanina amin’ny fampandrosoana
- Fanamboarana modely toetrandro momba ny tafiotra (fihetsika, firafitra, orana)
- « modèle hydrodynamique » hiomanana amin’ny faritra mety ho tondraka
- Fanatsarana ny rafitra fanairana mialoha
- Famolavolana drafitra fanajariana amin’ny fambolena, fotodrafitrasa, sy fanorenana tanàna
- Fandinihana momba ny fifindra-monina sy ny farefoana ara-tsosialy
- Fanamafisana fahaiza-manao ho an’ny siantifika, mpanapa-kevitra, ary fiaraha-monina
- Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny fikarohana (mpianatra amin’ny anjery manontolo, andrim-panjakana)
- Fampidirana fahaiza-manao amin’ny modely, famaliana loza, na fampianarana
- Fandraisana anjara amin’ny atrikasa sy fakan-kevitra eny an-toerana
- Lahatsoratra siantifika sy angon-drakitra
- Fitaovana fampianarana: horonantsary, torolalana, sary manazava
- Vavolombelona avy amin’ny fiaraha-monina
- Sarintany mifandray amin’ny loza sy tondradrano
- Sary sy lahatsary amin’ny asa eny ifotony
- « Blog » sy vaovao
- Ao amin’ny fizarana “Productions” ny tatitra sy lahatsoratra siantifika
- Ny angon-drakitra teknika dia any amin’ny mpiara-miombon’antoka — afaka mifandray aminay
- Malalaka ny fidirana raha azo atao, saingy misy angona mitaky fahazoan-dalana
📧 Raha mila miditra amin’ny angona: Arake.Mada@proton.me
Ny tetikasa dia vatsian’ny CLARE, iarahan’ny FCDO (Fanjakana Britanika) sy ny IDRC (Kanada).
CLARE dia manohana tetikasa fanajariana toetrandro ho an’ny firenena manana fidiram-bola ambany sy antonony. Teti-bola manontolo: 110 tapitrisa livres sterling.
- Rafitra fiomanana amin’ny loza voajanahary matanjaka kokoa
- Fananganana hetsika mialoha mifototra amin’ny vinavina
- Paikady fanajariana novolavolaina miaraka amin’ireo mpandray anjara
- Fifanakalozana siansa-politika matotra kokoa aty amin’ny Afrika Atsimo
- Fahaiza-manao ho an’ny tohibely amin’ny faritra iharan’ny rivo’doza
Eny! REPRESA dia mikarakara:
- Atrikasa nasionaly sy isam-paritra
- « Webinaire » sy fifanakalozana an-tserasera
- Fakan-kevitra
Zahao ny tetiandro na bilaogy amin’ny tranonkala ho an’ny daty sy fisoratana anarana.
- Amin’ny alalan’ny atrikasa iombonana sy Living Labs
- Amin’ny fanaovana sarintany, fitantarana fiainana ary famolavolana fanairana miaraka
- Mandray anjara amin’ny fanamboarana fitaovana mifanaraka amin’ny zava-misy
- Ny mpitarika eny an-toerana, tanora sy vehivavy dia andraikitra lehibe
Eny. REPRESA dia manome:
- “Des jeux de données issus des modélisations climatiques et hydrologiques »
- Fitaovana fampiofanana ho an’ny oniversite sy toby toetrandro
- Fahafahana hanaraka fiofanana sy fiaraha-miasa amin’ny fikarohana
- Fidirana amin’ny ekipa mpanao modely raha ilaina
- Araho ny tranokalan’ireo mpiara-miombon’antoka
- Midira ao amin’ny sehatra CLARE sy ny “webinaire” ho an’ny daholobe
- Ho avy tsy ho ela: vaovao sy fanambaràna amin’ny tambajotra sosialy

