FAMARIPARITANA NY VALAN-JAVABOARY ANKARAFANTSIKA
Sarintany maneho an'Ankarafantsika
Toerana :
Avaratra andrefan’i Madagasikara, Faritra Boeny.
Mari-pandrefesana sy mari-piakarana :
46°36’0.0’’ ka hatramin’ny 47°12’0.0’’ Atsinanana, ary 16°12’0.0’’ ka hatramin’ny 16°24’0.0’’ Atsimo.
Velarantany :
136 513 hektara (Loharano: SAPM/SAPM_AP_MADA.shp).
Faritra voakasika :
Distrikan’i Marovoay sy Ambato Boeny.
Fitantanana :
Madagascar National Parks (MNP), amin’ny alalan’ny fitantanana iaraha-manao amin’ny fiarahamonina eny an-toerana.
Lalana manan-danja :
Lalam-pirenena faha-4 (RN4).
Kaominina mifanila :
Andranofasika (Atsinanana) sy Marosakoa (Andrefana).
Tanàna mandalo RN4 ao anaty valanjavaboahary :
Ambodimanga, Ampijoroalava, Ampombolava, Ambikakely ary Befotoana.
Ny vahoaka teratany ao amin’ny faritra dia ny Sakalava. Tao anatin’ny taona maromaro izay, nitombo ny fifindra-monina avy amin’ny faritra hafa eto Madagasikara, indrindra fa avy any amin’ny faritra atsimo. Ity hetsika fifindra-monina ity, izay manomboka avy any atsimo miakatra any avaratra andrefana, dia vokatry ny fahasimban’ny toetrandro izay mampahory ny faritra niavian’ny mponina.
Anisan’ny mahasarika ireo mpifindra monina koa ny fahabetsahan’ny tany azo ambolena sy ny tombony ara-toekarena entin’ny fisian’ny parc national ao amin’ilay faritra. Mitady fiainana tsaratsara kokoa ireo mpifindra monina ka miantefa ao amin’ny manodidina ny valanjavaboahary Ankarafantsika.
Ny Valanjavaboarin’i Ankarafantsika dia miorina amin’ny haavo antonony manodidina ny 250 metatra, ary mahatratra 350 metatra ny teboka avo indrindra ao aminy. Ny endriky ny tany dia ahitana fitambaran’ny ala maina mikitroka, savàna misy hazo, ary rafitra farihy, ka mahatonga ny valan-javaboary hanana karazan-javaboary maro samihafa.
Ity fahasamihafan’ny tontolo iainana ity dia manohana harena voajanahary miavaka, na an-tanety na anaty rano. Izay anisan’ny mampiavaka ny valanjavaboary, ny farihin’i Ravelobe dia misongadina ho toerana manintona sy manan-danja lehibe amin’ny lazan’i Ankarafantsika.
Ahitana karazana tontolo iainana maro samihafa ao amin’ny valanjavaboary Ankarafantsika, ary maro amin’ireo zava-manan’aina hita ao no andemika eto Madagasikara. Ireto avy no hita ao :
- 127 karazana vorona, ahitana :
- 520 karazana zava-maniry, ka : 352 endemika eto Madagasikara (71 %) : 2 atahorana tanteraka, 3 atahorana, ary 1 marefo / 6 endemika eo an-toerana (1 %)
- 11 karazana ramanavy (chauves-souris), ahitana 2 marefo (ohatra : renard volant de Madagascar)
- 13 karazana sahona sy biby miaina anaty rano (amphibiens)
- 8 karazana varika, ka :
- 3 karazana biby mpihaza (carnivores), ka 2 amin’izany no marefo (ohatra : fosa)
- 64 karazana biby mandady (reptiles), ahitana :
11 karazana biby mampinono , ka 1 amin’ireo dia endemika eo an-toerana ary voasokajy ho atahorana
Alohan’ny fisehoan’ny trangan-javatra voajanahary toy ny fiovan’ny toetrandro, dia efa misy tsindry goavana avy amin’ny asa ataon’ny olombelona mianjady amin’ny valanjavaboary Ankarafantsika. Mihitatra tsikelikely ny tanàna fonenana sy ny tany fambolena, ka miditra anaty faritry ny valanjavaboary izany ary manohintohina ny firindran’ny tontolo iainana ao anatiny.
Ankoatra izany, mihamafy hatrany ny fanararaotana ny ala, amin’ny alalan’ny fanamboarana arina fandrehitra sy ny fanapahana hazo ho an’ny fanorenana trano. Ireo fomba fanao ireo dia mampihena be dia be ny velaran’ny ala ary manimba ny fifandanjan’ny tontolo iainana ao amin’ny valanjavaboary.
Loharano
: ARAKE, Septambra 2024
Anisan’ny voka-dratsy mampanahy indrindra aterak’ireo asa ireo ny fitomboan’ny doro ala, izay matetika vokatry ny fitondran-tenan’olombelona. Ireo afo ireo, na kasaina na sendra tampoka, dia miteraka fahapotehana goavana, na amin’ny velaran-tany voakasika, na amin’ny fahasimban’ny harena ao amin’ny valanjavaboary. Matetika dia fahapotehana tsy azo averina intsony no vokany.
Anatin’ireo valanjavaboary maro eto Madagasikara, Ankarafantsika dia iray amin’ireo tena manan-karena amin’ny zava-manan’aina sy ny karazana tontolo iainana. Na izany aza anefa, mihatra aminy ny tsindry sy fandrahonana maro, avy amin’ny tranga voajanahary na vokatry ny asan’olombelona. Mba hahafahana miaro sy mitahiry maharitra ity harena sarobidy ity, dia ilaina ny fametrahana paikady mahomby amin’ny lafiny fikarakarana ny tontolo iainana sy fampandrosoana. Ny fahombiazana amin’izany dia miankina amin’ny fiaraha-miasa matotra sy mifameno eo amin’ny fiarahamonina eo an-toerana, ny fitondram-panjakana, ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra voakasika.

