Manangona hevitra tena izy avy amin'ny vondrom-piarahamonina amin’ny alàlan’ny fomba fiasa vaovao
Nandritra ny fanatanterahanay ny fikarohana tany Mananjary, Morombe, Ankarafantsika ary Mitsinjo, dia nampihatra fomba fiasa miavaka sy afaka mifanaraka amin’ny amin’ny zavamisy izahay amin’ny fanaovana angon-kevitra (collecte de données), mihoatra lavitra noho ny fomba fanao mahazatra. Ivon’ny asa natao ny fitsidihana mivantana an-trano izay tsy dia fanao loatra amin’ny fomba fiasa mahazatra. Tsy nifidy mialoha mpandray anjara izahay ary tsy nijanona fotsiny ihany amin’ny dinidinika ara-pomba ofisialy, fa nanatona mivantana ny mponina tao amin’ny tontolony andavanandro sy ny sehatra iainana eo amin’ny manodidina azy. Ny traikefa azo tamin’izany dia namoaka hevitra sarobidy sy nanan-danja tanteraka, ary nanamafy ny fanoloran-tenanay hanangana fomba fanangonana vaovao izay manaja ny fiainan’ny fiarahamonina, sady manome sehatra tena izy ho an’ny feon’ireo olona matetika tsy re.
Manome fiainana ny fanaovana angon-kevitra
Ny tanjona lehibe tamin’ity fomba fiasa ity dia ny fanangonana vaovao sy hevitra tena izy sy afaka maneho ny zavamisy marina mikasika ireo lohahevitra mahakasika mivantana ny fiainan’ny fiarahamonina eny ifotony. Nifantoka tamin’ny paikady amin’ny fahaiza-miatrika amin’ny fiovan’ny toetry ny andro, ny rafitra fanairana mialoha, ary ny fifindra-monina izahay, ary niezaka sy nitrandraka ny zava-misy amin’ny antsipirihany sy araka ny hita marina eny anivon’ny fiainam-bahoaka. Tao anatin’izay, ny fifandraisana mivantana ao amin’ny andavanandron’ny olona dia nahafahana nanangona nahazo angon-kevitra izahay izay mihoatra lavitra noho ny fijerena ivelany fotsiny. Ireo hevitra azo dia manome topy maso lalina momba ny fomba fiatrehan’izy ireo sy ny fiomanan’izy ireo manoloana ny olana atrehan’izy ireo isan’andro.
Raha oharina amin’ny fomba fanao teo aloha sy mahazatra amin’ny fanangonana « données », ny fomba fiasanay dia afaka mihoatra ny rafitra efa voafaritra sy voafetra mialoha mahakasika ny dinidinika ifanaovana amin’ny olona eny ifotony, ary koa afaka mampifanaraka ny zavamisy ao an-toerana sy ny zavatra voalazan’ny olona.
Nihaona tamin’ny olona izahay tany amin’ny toerana manakaiky azy indrindra: tao an-trano, tany an-tsaha, teny an-dalana ary tany amin’ireo toerana iraisan’ny fiarahamonina. Ireo fifanakalozan-kevitra tampoka sy tsy voafaritra mialoha ireo dia nahafahan’ny olona nizara malalaka kokoa sy mitantara ny zavatra niainany. Tao ny tantsaha nizara ny fiheverany ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro amin’ny fambolena, tao ny mpiompy nitantara ny fiovan’ny vilona sy ny sakafom-biby, ary ny resaka nifanaovana dia nivadika ho tantara velona feno herim-po, fanantenana ary fahaiza-mifanaraka ireo resaka ireo.
Etika sy fanoloran-tena: Manangana Fitokisana
Ny fifanajana sy ny fangaraharana no fototry ny fomba fiasa nampiharina nandritra ny fanangonana vaovao. mialohan’ny dinidinika tsirairay, dia nahazo fanekena an-tsitrapo avy amin’ireo olona nandray anjara ny mpikaroka. Io fanazavana mialoha io dia nampahafantatra mazava ny tanjon’ny fikarohana sy ny anjara andraikitry ny tsirairay tamin’izany, ka niteraka fifanakalozana mafonja kokoa sy manan-danja mahakasika ny traikefa sy ny fomba fijeriny. Nampifanarahana tamin’ny zava-misy sy toe-javatra iainan’ny olona tsirairay ireo fanontaniana, ka nanome endrika manan-danja sy lalim-paka ho an’ireo fifanakalozana. Ny fanakekezana ireo mpiara-belona eny amin’ny sehatra iainan’izy ireo dia nahafahana namolavola tontolo feno fifanajana sy fiaraha-miasa tanteraka.
Ho fanamafisana izany ezaka izany, dia nampiasa tari-dalana ahitana ireo karazana fanontaniana mahakasika ny fanadihadiana izay, izay niompana amin’ny lohahevitra manokana toy ny fomba fijerin’ireo tantsaha sy ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro, ny zava-misy iainan’ireo fianakaviana miatrika ny olana mifandraika amin’ny fifindra-monina, ary ny fijerin’ireo mpitarika sy tompon’andraiki-panjakana eo an-toerana momba ny rafitra fanairana mialoha. Izany fomba fiasa izany dia nahafahana nahafantatra misimisy kokoa ny zavamisy eny ara-piarahamonina, ara-toekarena sy amin’ny tontolo iainana izay iainan’izy ireo isanandro.
Ny firotsahana lalina: fiaraha-mianatra
Amin’ny fifanantonana mivantana amin’ny olona ao anatin’ny tontolo iainany andavanandro, dia afaka namantarana ny fomba fahitan’izy ireo sy ny fomba fiatrehan’izy ireo manoloana ny petrak’olana manoloana azy. Ity fomba fiasa ity dia nahafahana namoaka ny zavamisy miafina sy ny traikefan’ny olona mahakasika ny paikady enti-miatrika olana ary nahafahana nampiseho ny mahazava-dehibe ny fampifandraisana amin’ny zavamisy ny fomba fikarohana.
Tamin’ny alalan’ity dingana ity izahay, dia nahazo hevitra sarobidy momba ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny fomba seha-pihariana, ny fomba fitantananan’ny fiarahamonina ny loza ny fomba fanairana mialoha, ary ny ary ny fiantraikan’ny fifindra-monina amin’ny tokantrano sy ny fiarahamonina.
Ireo fitsidihana an-trano ireo dia lasa zavatra mihoatra noho ny fanangonana vaovao fotsiny satria lasa fianarana iombonana sy fifanakalozana. Tao anatin’izany fidirana tao anatin’ny fiainan’ireo tontolo iainan’izy ireo izany, dia afaka nanamafy ny feony izahay ary nanasongadina ny zava-misy misy amin’ny fiainany. Ity fomba fiasa firobohana lalina ity dia tsy vitan’ny nanamafy ny fikarohana natao ihany, fa koa nanamafy ny fahavononanay sy ny fanajàna ny faharetan’ny olona sy ny fahafahany miova eo afovoan’ny fikarohana.
Farany, ity traikefa ity dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara feno sy ny fahafaha-mandrindra ny fomba fiasa arakaraka ny zavamisy ao anatin’ny fomba fanangonana vaovao, mba hahazoana antoka fa henoina sy hajaina tsara ny feon’ireo olona tena tratran’ny loza.




