MADAGASIKARA
ny tohi-bely amin'ny fiovan'ny toetrandro eto Madagasikara,
Ilay nosy aty amin'ny Ranomasimbe Indianina izay tena mora iharan'ny rivodoza tropikaly sy ny tondra-drano.
mba tsy hisy hadino ny tsirairay.
- +261 32 65 673 35
- contact@represa-madagascar.com
- Lot VK 36 Morarano Ambohitsoa
Momba ny tetikasa REPRESA
Ny tetikasa REPRESA dia mikendry ny hahatakarana sy hampihenana bebe kokoa ny loza ateraky ny rivodoza tropikaly eto Madagasikara, Malawi ary Mozambika — firenena telo tena marefo amin’ireo karazana voina voajanahary. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, niteraka fahaverezan’aina, faharavana ara-toekarena ary fifindra-monina an-terisetra ireo rivodoza toy ny Idai (2019) sy Freddy (2023), ka nahatonga ny fitomboan’ny faharefoan’ireo mponina efa marefo.
Na dia efa misy aza ny rafitra fampandrenesana mialoha (SAP), mbola maro ny fetrany satria tsy mandrakotra tanteraka ny loza mifameno toy ny orambe, rivotra mahery, ary tondradrano mitambatra. Mitondra fomba fiasa vaovao ny REPRESA amin’ny alalan’ny famolavolana « modélisation climatique » avo lenta, fanadihadiana ny faharefoan’ny fiarahamonina, fanentanana ifotony, ary fanamafisana ny fahaiza-manao eo an-toerana.
