Serasera miompana amin’ny famoronana: fanomezana hery ny vondrom-piarahamonina hanamafisana ny tohibely amin’ny fiovan’ny toetr’andro

  • Tongasoa
  • communication-mg
  • Serasera miompana amin’ny famoronana: fanomezana hery ny vondrom-piarahamonina hanamafisana ny tohibely amin’ny fiovan’ny toetr’andro

Ahoana ny fomba ampiasanay ny serasera amin'ny famoronana mba hitondrana fiovana

Manoloana ny fitomboan’ny fanamby ara-toetrandro dia zava-dehibe ny fahafahan’ny fiarahamonina mahafantatra ny loza mety hitranga fotsiny sy ny fomba tokony entina miatrika izany. Izahay dia mampihatra fomba miavaka amin’ny fiomanana amin’ny loza amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-pifandraisana manintona mba hahafahana manampy ny fahombiazan’ny fiarahamonina miatrika izany. Rehefa atambatra ny soatoavina nentin-paharazana sy ny paikady maoderina amin’ny sehatry ny serasera, dia afaka manome môdely sy fiovana maharitra izahay. Toy izay ny fomba ampiasanay ny serasera ho fitaovana hanovana fitondran-tena sy hampiorina fiantraikany tena izy eto Madagasikara.

Mamelona ny angon-kevitra amin'ny alalan'ny fampielezam-peo

Ny onjam-peo hatreto dia mbola iray amin’ireo endrika fifandraisana azo itokisana sy mora azon’ny mponina, indrindra any amin’ny faritra lavitra andriana. Saingy tsy mifarana amin’ny fizarana tarehimarika sy zava-misy fotsiny izany. Trandrahanay ho lasa fandaharana manintona mba hifandraika mivantana amin’ny filan’ny fiarahamonina eo an-toerana ireo angon-kevitra « Données » izay voahangonay mikasika ny rafitra fanairana mialoha (EWS) sy ny fiovan’ny toetrandro. Ireo fandaharana ireo dia tafiditra ho anisan’ny fitaovana EWS noho izy feno vaovao ilaina sy mora takarina, ary eritreretina hanome singa ilain’ny mpihaino mba hiomanan’izy ireo amin’ny rivodoza na tondradrano manaraka.

Ny fampidirana ireo angon-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina ao anatin’ireo fandaharana ireo dia manome lanja ny hafatra marina sy azo trandrahina. Tsy mijanona fotsiny eo amin’ny fihainoana vaovao ihany koa fa izany dia manampy ny fahatsapan’ny rehetra ny zavamisy marina mba hahafahana mandray andraikitra. 

Fampiraisana fiaraha-monina amin'ny alalan’ny teatra

Alaivo sary an-tsaina hoe misy fihaonambe iray eo anivon’ny fiarahamonina, feno hafaliana sy hehy izay hahafahan’ny olona miresaka am-pirahalahiana sy am-pahavitrihana mahakasika ny loza mety hitranga sy ny fiovan’ny toetrandro. Izany no herin’ny tantara an-tsehatra eo anivon’ny fiarahamonina! Mampiasa seho an-tsehatra mivantana izahay, tsy ho fanomezam-baovao fotsiny, fa koa ho fialamboly sy loharanon’aingam-panahy ho an’ny rehetra. 

Amin’ny alalan’ny tantara sy sombin-dahatsarimihetsika, dia asehonay amin’ny fomba mazava sy miaina ny toe-javatra mahakasika ny tokony hatao raha misy fanairana rivodoza, na ny fiomanana amin’ny tondradrano ao an-trano. Manentana ny fandraisan’anjaran’ny mpijery ny seho atao mba hisarihana adihevitra, fanontaniana ary fanehoan-kevitra. Anisan’ny fomba iray tsotra nefa manampy ny olona izany hahafahan’izy ireo mahatsapa fa anisan’ny vahaolana izy ireo.

Ny fampandraisana anjara  ny fiarahamonina toy izany dia miteraka ny fahatsapan’izy ireo ho manana adidy sy anjara toerana lehibe amin’ny famolavolana ny ampitso ho tsaratsara kokoa sy azo antoka, mba tsy hijanona ho mpitazana sy mpihaino vaovao fotsiny ihany toy ny mahazatra teo aloha.

Mizara tantara amin’ny fitenim-paritra: Sombin-Tantara

Tsy misy mahatafiditra ny fon’ny olona sy ny fisainany tahaka ny tantara. Izany no antony ampiasanay ny sombin-tantara, na tantara amin’ny onjam-peo, ho fomba fifandraisana entina mampita lesona manan-danja momba ny fiomanana amin’ny loza sy ny fahaiza-miatrika amin’ny fiovan’ny toetrandro.

Soratana amin’ny fitenim-paritra ireo tantara ireo, mba tena hifanaraka sy hanakaiky ny fiainana andavanandron’ny olona eny ifotony. Aseho ao anatin’izany ihany ny tsanganana olona manana toetra sy efa mahazatra azy ireo manoloana ny fiatrehana olana mifandraika amin’ny toetrandro mahery vaika sy ny fianarana ny fomba hamaliana izany amin’ny alalan’ny rafitra fanairana mialoha sy fomba fanao mahomby manoloana ny toetrandro. Tantara mahafinaritra sy manabe no endrik’izy ireny, izay  atao mba hampisy fifamatorana lalina amin’ireo hafatra tiana hampitaina.

Ny sombin-tantara dia fitaovana mahery tena mahomby hanazavana olana sarotra amin’ny fomba tsotra, mora takarina ary mora tadidina. Amin’ny alalan’ny fampifangaroana ny kolontsaina, ny fiteny ary ny fahalalana azo ampiharina, dia ataonay ho zavatra azon’ny olona iainana sy andraisana andraikitra ny resaka fiovan’ny toetrandro sy ny rafitra fanairana mialoha.

Fanamafisana ny faharetana amin’ny alalan’ny serasera mamorona

Mino izahay fa ny tena fiovana dia miseho rehefa raisin’ny fiarahamonina ho andraikiny manokana ny hoaviny. Manome fahafahana ho an’ny fiarahamonina izahay mba tsy hijanona fotsiny amin’ny fahalalàna ny tandindon-doza izay hatrehin’izy ireo, fa mba tena handray andraikitra rehefa amin’ny fotoana ilàna izany, amin’ny alalan’ny karazana fitaovam-pifandraisana manintona sy mifanaraka amin’ny kolontsaina toy ny onjam-peo, hira, tantara an-tsehatra ary fitantarana.

Amin’izany fomba fampandraisana anjara izany dia tsy hoe mizara vaovao manan-danja fotsiny izahay, fa mamolavola toetra, kolontsaina sy fahatsapan-tena tsy iandrasana an’iza na iza entina hanampiana fiarahamonina hiatrika sy hahazaka ireo rivodoza ho avy sy ny fomba hiatrehina amin’ny fiovan’ny toetrandro.