Fakana tantara ho fanamafisana fahalalana amin'ny alalan'ny fitantarana
Noho ny fanangonan-kevitra natao, dia nikarakara andiana atrikasa fitantarana izahay ho an’ireo lohahevitra maro amin’ny fikarohana, toy ny fomba fijerin’ny olona ny fiovan’ny toetrandro sy ny safidy hoenti-miatrika izany amin’ny sehatry ny fambolena, fotodrafitrasa, jono sy harena anaty rano, ny rafitra fanairana mialoha ary ny fitantanana ny loza eny anivon’ny fiarahamonina (CRM), ary koa ny fironana amin’ny fifindra-monina. Ireo atrikasa ireo dia natao miaraka amin’ny vondrona kely misy olona 6 ka hatramin’ny 12, izay nifampizara tantara sy traikefa manokana tao anaty tontolo azo antoka sy misokatra. Manana endrika manokana ny atrikasa fitantarana, natao hanentanana ny fisaintsainana lalina sy hanomezana sehatra ho an’ny fanehoan-kevitra sy fihetseham-po amin’ny lohahevitra sarotra. Ity fomba fiasa mandray anjara ity dia manome fahitana lalina sy manan-danja amin’ny fomba fijery sy ny fanehoan-kevitra entin’ny olona amin’ireo lohahevitra arahina fikarohana.
Fandaminana atrikasa fitantarana
Noho ny fanangonan-kevitra natao, dia nikarakara andiana atrikasa fitantarana izahay ho an’ireo lohahevitra maro amin’ny fikarohana, toy ny fomba fijerin’ny olona ny fiovan’ny toetrandro sy ny safidy hoenti-miatrika izany amin’ny sehatry ny fambolena, fotodrafitrasa, jono sy harena anaty rano, ny rafitra fanairana mialoha ary ny fitantanana ny loza eny anivon’ny fiarahamonina (CRM), ary koa ny fironana amin’ny fifindra-monina. Ireo atrikasa ireo dia natao miaraka amin’ny vondrona kely misy olona 6 ka hatramin’ny 12, izay nifampizara tantara sy traikefa manokana tao anaty tontolo azo antoka sy misokatra.
Manana endrika manokana ny atrikasa fitantarana, natao hanentanana ny fisaintsainana lalina sy hanomezana sehatra ho an’ny fanehoan-kevitra sy fihetseham-po amin’ny lohahevitra sarotra. Ity fomba fiasa mandray anjara ity dia manome fahitana lalina sy manan-danja amin’ny fomba fijery sy ny fanehoan-kevitra entin’ny olona amin’ireo lohahevitra arahina fikarohana.
Inona no atao hoe atrikasa fitantarana ?
Tanjona lehibe amin’ny atrikasa fitantarana ny fanamafisana ny fahatakarana ny zavatra niainana sy fomba fijerin’ny fiarahamonina amin’ny lohahevitra arahina. Izany dia tanterahina amin’ny alalan’ireto :
- Fandinihana ny fomba fijery sy fahaiza-miatrika : Fahatakarana ny fomba fijerin’ny olona amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny paikady ampiasainy hiatrehana izany.
- Fanombanana ny rafitra fanairana mialoha : Fanangonana hevitra momba hoe mahomby ve sa tsia ireo rafitra efa misy sy ireo tokony hatsaraina.
- Famakafakana ny fironana amin’ny fifindra-monina : Fanadihadiana ireo antony ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-tontolo iainana manosika ny olona hifindra toerana manoloana ny loza mifandraika amin’ny toetrandro.
- Fanohanana ny fandraisana anjara ankapobeny : Antoka fa heno sy hajaina avokoa ny feon’ny sokajin’olona rehetra, anisan’izany ny vehivavy, tanora, sy ireo vondrona marefo.
Fomba fanao sy fepetra ara-pitondran-tena
Manaraka fenitra ara-etika hentitra izahay amin’ny fanatanterahana ireo atrikasa. Nomena fanazavana feno momba ny tanjon’ny fikarohana sy ny fomba ampiasana ny tahirin-kevitra ireo mpandray anjara, ary avy eo naneho fankatoavana mazava (consentement éclairé). Nohajaina tanteraka ny fahafahana manokana sy ny tsiambaratelo, ka nahatonga fahatokisana sy fiarovana teo amin’ny mpandray anjara. Zava-dehibe izany mba hahazoana antoka ny maha-marina sy maha-azo itokiana ny angon-drakitra azo.
Fomba fiasa sy hetsika natao
Ny atrikasa fitantarana dia natambatra tamin’ny :
- Fampidirana sy fanesorana henatra (brise-glace) : Fametrahana tontolo milamina sy fifampatokisana eo amin’ireo mpandray anjara.
- Seho fitantarana tantara : Fanentanana ny olona hitantara tantara manokana sy traikefa niainany mifandraika amin’ny lohahevitra.
- Fanazaran-tena ifandrimbonana : Fampiasana fitaovana hita maso, sarintany, na fanoharana an-tsehatra hanamafisana ny adihevitra sy hanomezana fahatakarana lalindalina kokoa.
- Fisaintsainana iombonana : Fanangonana sy fandinihana miaraka ireo tantara naroso, fanavahana ireo lohahevitra mitovy sy fomba fijery samihafa.
Ny atrikasa fitantarana dia fitaovana matanjaka entina mandalina ny lafiny maha-olona amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny fifindra-monina eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fitantarana tantara sy fanangonana ny feon’ny mponina eo an-toerana, dia azo atao ny mahazo fahatakarana lalina kokoa momba ireo fanamby sy fahafahana hisian’ny faharezena manoloana ny loza mifandray amin’ny toetrandro.






