Morombe, Faritra Atsimo Andrefana

  • Tongasoa
  • Morombe, Faritra Atsimo Andrefana

Famaritana ara-jeografia

Ny distrikan’i Morombe dia ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, any atsimo andrefan’i Madagasikara, ao anatin’ny Faritanin’i Toliara. Ny sarintany fametrahana dia hanampy hanampy hampiseho io faritra io eo amin'ny toerany nasionaly.

  • Sakany: 21°41’38.06’’ Atsimo
    • Halavany: 43°44’02.23’’ Atsinanana
    • Velaran-tany: manodidina ny 7,109 km²
    • Mitodika mianavaratra ny sarintany, aseho amin’ny zana-tsipika eo amin’ny ilany havanana ambony.

  • Mizara ho kaominina maromaro ny distrika.
  • Miseho amin’ny teboka mainty ny renivohitry ny kaominina tsirairay dia .
  • Miseho amin’ny tsipika mainty mitohy ny sisintanin’ny distrikan’i Morombe
  • Misy lalam-pirenena sy lalan-tany mampifandray ny kaominina sy ny distrika manodidina.
  • Misy fotodrafitrasa toy ny lakandrano fampidiran-drano sy faritra seranan-tsambo, izay mihasimba.

    • Mandalo amin’ny lemaka delta Bas-Mangoky ny reniranon’i Mangoky, izay delta lehibe indrindra eto Madagasikara (110 000 ha).
  • Mirefy 55 884 km² ny « bassin versant » amin’ny reniranon’i Mangoky.
  • Misy fiakaran’ny rano be loatra manomboka ny volana desambra ka hatramin’ny martsa (30–100 l/s/km²), ka mahatonga tondra-drano matetika; misy fihenan’ny rano kosa ny volana jona hatramin’ny novambra (15 %-n’ny rano isan-taona ihany).
  • Misy fikorosianan’ny tany sy tanimbary tototry ny fasika goavana vokatry ny fahasimban’ny « bassin versant » (Zomandao, Ihosy).

    • Karazana toetr’andro: « semi-aride » sy mafana, misy fotoam-pahamainana lavareny manodidina ny 8 volana.
    • Rivotra sy orana: 3 volana ihany no misy orana (desambra–febroary), ary latsaky ny 750 mm isan-taona ny rotsak’orana.
    • Mahazaka fijinjana vary in-droa isan-taona ny toetr’andro.

    Loza mety hitranga: hain-tany lava, valala, doro-tanety.

FaritraHaavoToetra manokana
Morontsiraka0–50 mTsara toerana, be fotaka, mora tratran’ny fiovan’ny toetr’andro
Tany tondra-drano20–100 mSahan’alanana mahavokatra nefa mora tondraka
Lemaka Bas MangokyHaavo ambanyTany fambolena mihena no sady mora voasaron’ny fasika sy mihotsaka
SokajyAntontan-kevitra fototra
Sakafo fototraVary, voanjo andrefana (pois du cap)
SakanaFahasimban’ny tany, tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, feno fasika
Tanjaka/FilànaMisy fahaiza-mamokatra ambony ny faritra delta raha miverina ny fanondrahana
Tontolo iainana
FaharavanaFaharavan’ny tany sy ny velaran-javamaniry
FahatsentsenanaFahatsentsenan'ny renirano sy lakandrano
Fikapana alaFikapana ala ao amin’ny faritra avo
Toe-karena
FamokaranaMihena ny famokarana ara-pambolena
Velaran-tanyMihena ny velaran-tany azo volena
Fahavitan-tena ara-tsakafoMitombo ny tsy fahampian-tsakafo
Sosialy
  

Mihena ny fari-piainan’ny mponina 

Misy fifindra-monina vokatry ny fahantrana sy ny fiovan’ny toetr’andro