Nahoana no zava-dehibe ny ankizy amin'ny rafitra fampitandremana mialoha – Modely SAP Kiddo an'i ARAKE
Nahoana no ampidirina ao anatin'ny rafitra fampitandremana mialoha ny ankizy?
Eto Madagasikara, ny loza mitatao amin'ny toetr'andro toy ny rivodoza tropikaly, ny tondra-drano ary ny hain-tany dia mamely isan-taona. Izany dia mampidi-doza ny ankizy eo amin'ny sehatry ny fianarany sy ny fahasalamany ary ny fiarovan-tenany. Ny ekipan'ny ARAKE dia nahatsapa fa tsy tokony ho sokajiana amin'ny maha olona marefo azy ireo ankizy ireo fa anisann'ny manana hery lehibe afaka manova ny tontolo misy azy ho tsaratsara kokoa. Hita sy tsapa izany tamin'ny fampandraisana anjara an'ireo ankizy ireo sy ny fampiaran'ny ARAKE ny "pédagogie active".

Tsy aferan'ny olon-dehibe intsony ny fanairana
Ny ankizy raha raisina amin'ny maha ankizy azy dia afaka mieritreritra toe-javatra manokana izay tsy takatry ny olon-dehibe ary afaka naneho ny fahaizany sy niresaka izany ireo ankizy ireo raha natao ny andrena sy ny atrikasa. Amin'ny alalan'ny torolalalana SAP Kiddo, ny ARAKE dia manaporofo fa ny ankizy dia manana ny heviny manokana amin'ny fitantanana ny loza. Omena ireo mpiara-miombon'antoka isan-tsokajiny arak'izany ity torolalana ity mba hahafahana mametraka ireo ankizy ireo ho ivon'ny rafitra fampitandremana mialoha.
Ny fampiasana fitaovana sahaza ho an'ny ankizy sy ny fahatokisana azy ireo dieny mbola maha kely azy dia hahafahan'izy ireo ho lasa tompon'andraikitra eo amin'ny fiarahamonina manodidina azy sy ho mpanavotra ny firenena indray andro any.

Famerenam-pisainana mahakasika ny "risque": Fa maninona no zava-dehibe ny ankizy amin'ny rafitra fampitandremana mialoha
Raha jerena ny fomba fanao mahazatra, ny rafitra fampitandremana mialoha dia natokana ho an'olon-dehibe ary nataon'ny olon-dehibe. Izany anefa dia tsy manome lanja firy ny fiheverana manokana ny ankizy, ny filàny ary ny fahaiza-manaony manokana. Rehefa ao anaty hamehana anefa dia ny ankizy no voakasika voalohany kanefa dia mahalana ny fakana ny hevitr'izy ireo. Izany dia maneho lesoka lehibe eo amin'ny sehatry ny fitoviana sy ny fahombiazana. Amin'io lafiny io, ny programa SAP Kiddo dia mamadika izany fiheverana izany amin'ny fanamaporofoana fa ny ankizy dia mahatsapa teboka ambony kokoa mahakasika ny tandindon-doza izay tsy hitan'ny olon-dehibe akory. Ny fahatakarana ny fihetsiky ny ankizy arak'izany dia hahafahana manova azy ireo ho fantsona enti-mampita vaovao mahomby eo amin'ny fiaraha-monina misy azy, ary ny tena zava-dehibe dia ny ahafahan'izy ireo mandray andraikitra raha voaofana mialoha amin'ny zavatra tokony ataony.

Ny fahatsapana izany dia manaiky fa ny ankizy dia hery lehibe iray izay mbola tsy voatrandraka satria lasa voasokajy tsy ho isan'ny olona marefo tsotra mpandray fanampiana intsony izy ireo. Raha ampiasaina araka ny tokony ho izy ny fitaovana mahomby sy paikady mifanaraka amin'izany, ny SAP Kiddo dia manova ny ankizy ho tena tompon'andraikitry ny fiarovan-tenany, satria ny fandraisan'anjaran'izy ireo dia mampahomby kokoa ny rafitra fampitandremana mialoha.
Manambara lesona lehibe maro ny SAP Kiddo amin'ny fandraisany anjara mavitrika amin'ny fanabeazana sy fiomanana amin'ny loza mety hitranga:
- Ny ankizy dia mahatsapa sy mandika ny loza amin'ny fomba tsy ampoizin'ny olon-dehibe.
- Tena mailaka izy ireo amin'ny fampitana vaovao amin'ny namany sy ny fianakaviany.
- Rehefa voaofana izy ireo dia afaka manao hetsika fa tsy miandry fanampiana fotsiny.
Manohitra ny fiheverana efa hatry ny ela amin'ny fitantanana ny loza anefa izany hoe : ny ankizy dia isan'ireo olona tokony ampiana foana. Tsy marina intsony izany. Raha omena azy ireo ny fahatokisana sy ny fitaovana mahomby dia afaka ho hery lehibe amin'ny fiomanana mialoha izy ireo.

SAP Kiddo in Action: Avy amin'ny fianarana mankany amin'ny fitarihana
Amin'ny alalan'ny andrana sy atrikasa ary fomba fampitana manintona, ny SAP Kiddo dia mampihatra teknikam-pampianarana maromaro any amin'ny faritra marefo toa an'i Mananjary, Morombe, Mitsinjo, Ankarafantsika, Toliara, ary Antananarivo Atsimondrano. Izany dia natao mba : hahafahan'ny ankizy mahafantatra ny mombamomba ny rafitra fampitandremana mialoha, hahalalan'izy ireo famantarana mialoha mahakasika ny mety hihavian'ny loza, handraisan'izy ireo ny toromarika mifanaraka amin'izany ary hampita fanairana eo amin'ny fiaraha-monina misy azy. Amin'ny alalan'ny andrana manintona, atrikasa ary fanazaran-tena azo ampiharina no anaovana izany.
Ny SAP Kiddo dia mampiasa fomba fampitana fampianarana manintona — anisan'izany ny tantara, ny lalao ary fanazaran-tena azo ampiharina—mba hanampiana ny ankizy :
- Hamantatra ny fomba fiasan'ny rafitra fampitandremana mialoha;
- Hamantatra ireo famantarana mailo;
- Hahafantatra ny fihetsika tsara tokony atao rehefa voan'ny loza;
- Hampita ny fampitandremana ho an'ny hafa.
Ny tena zava-dehibe dia ampirisihina ny ankizy haneho ny fahalemeny manokana — toy ny tahotra, ny fanahiana fisarahana, na ny fivezivezena voafetra — izay matetika tsy hita ao amin'ireo karazana taridalana sy toromarika natokana ho an'ny olon-dehibe. Ity tamberina ity dia manatsara ny fampidirana sy ny fahombiazan'ny paikady famaliana.
Fanambarana iray izay azo avy amin'ny fahatsapana fa ny fitantanana ny tandindon-doza ankehitriny dia tokony hametraka ny ankizy ho fototry ny "Resilience Communautaire".

Modely ho an'ny fitantanana ny tandindon-doza mifototra amin'ny ankizy
Ny torolalana SAP Kiddo dia manome tondrozotra azo ampiharina ho an'ny mpanabe, sampan-draharaha misahana ny fitantanana ny loza ary ny manampahefana eny ifotony. Manoritra dingana mivaingana izany mba:
- Hampidirana ao anatin'ny fandaharam-pianaran'ny sekoly ny fampianarana momba ny rafitra fampitandremana mialoha;
- Hampandray anjara ny ankizy amin'ny andrana na koa "simulation" eny anivon'ny fiaraha-monina;
- Hampifanaraka ny paikadim-pifandraisana mba hifanaraka sy hifan-danja amin'ny filan'ny ankizy;
- Hametrahana rafitra fanehoan-kevitra izay ahafahan'ny ankizy manome ny feony amin'ny fanomanana mialoha sy ny paikady politika isan-karazany.
Izany akory tsy midika fa mijanona ho teboka fanampiny "sahaza ho an'ny ankizy" aorian'ny zava-misy anefa izany - fa famolavolana rafitra fitantanana tandindon-doza miaraka amin'ny ankizy no atao laharam-pahamehana dieny ny fanombohana izany famolavolana izany.

Manomboka amin'ny fanomanana ka hatramin'ny fahaleovan-tena
Ny fizarana tsikelikely amin'ny fahaleovantenan'ny ankizy amin'ny alalan'ny fanabeazana ny rafitra fampitandremana mialoha ny fotoana dia miteraka vokatra maro sosona :
- Izany dia manatsara ny fahamarinan'ny fivezivezen'ny vaovao ao anatin'ny fianakaviana sy ny manodidina;
- Izany dia mampitombo ny faritra iparitahan'ny fanairana loza;
- Izany dia mampivelatra ny kolontsain'ny fifampizarana andraikitra dieny mbola kely.
Tsy vitan'ny hoe voaaro tsara kokoa — fa lasa mpanapa-kevitra amin'ny ho avy izy ireo izay mitazona ny kolontsain'ny "résilience".
"Ny zaza voaomana anio dia mpitarika maharitra rahampitso."

Topi-maso ho an'ny ho avy: manomboka amin'ny fanavaozana eo an-toerana mankany amin'ny aingam-panahy manerantany
Ao anatin'izao tontolo miankina tanteraka amin'ny toetr'andro izao, tsy rendrarendra ny fampihenana ny loza mitatao amin'ny ankizy—fa anisan'ny tena laharam-pahamehana.
Ny SAP Kiddo dia mampiseho hoe amin'ny fomba ahoana no itondrana fanavaozana avy eny ifotony raha miainga amin'ny toe-java-misy izay tena atahorana tanteraka toa ny iainan'i Madagasikara, mba hahafahana manatsara ny paikady amin'ny fahaiza-miatrika maneran-tany. Ity fandaharan'asa ity dia mamerina tanteraka ny fomba fisainana hoe : ny ankizy dia tsy marefo fotsiny, fa tena ilaina izy ireo.
Tsy fihetsika tsotra fotsiny ny fampidirana ny ankizy ao anatin'ny rafitra fampitandremana mialoha. Izy io dia vahaolana manan-danja, mifototra amin'ny porofo mivaingana, nalaina avy amin'ny rafitra famaliana matanjaka kokoa, mailaka kokoa sy mampiditra tanteraka.

Te-hahafantatra bebe kokoa momba ny fomba fiasan'ny SAP Kiddo amin'ny fampiharana na ny fomba fampiharana io modely io ao amin'ny faritra misy anao ve ianao? Mifandraisa amin'ny ARAKE raha te-hiditra amin'ny fandalinana tranga manokana sy fitaovana enti-mpiofanana.

