Mananjary, Faritra Vatovavy

FAMARITANA NY SARINTANY – MANANJARY

Ity sarintany ity dia mampiseho ny distrikan’i Mananjary, izay iray amin’ireo distrika ao amin’ny Faritra Vatovavy, any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’i Madagasikara. Misy sarintany kely eo ankavia izay manampy amin’ny famantarana ny toerana misy ny Faritra Vatovavy eo amin’ny sehatra nasionaly.

Toerana iasan'ny REPRESA

Ny faritra miloko volondavenona dia maneho ireo toerana iasan’ny REPRESA.

Toetry ny toetrandro (Climatologie)
Karazan-toetrandroToetrandro tropikaly mando (Af)
Rotsak’orana2 000 hatramin’ny 3 500 mm isan-taona
Mari-panaSalan’isa 24–27°C; kely ny fiovaovana mandritra ny taona
Loza mifandray amin’ny toetrandroRivo-doza, tondra-drano, fihotsahan’ny morontsiraka
RivotraRivotra alizé avy any atsimo atsinanana
Fambolena
SokajyAntsimpirihany
Voly atao sakafoVary, mangahazo, katsaka, akondro, legioma
Cash cropsLetisia, lavanila, kafe, kanelina, jirofo
Vokatra amidy (voly ara-barotra)Miankina amin’ny orana, fianakaviana no mitantana, tsy mampiasa milina
SakanaRivodoza, tondra-drano, fahasarotan’ny fidirana amin’ny tsena
Azo trandrahinaAfaka aondrana, ala-voly (agroforestry), fambolena biolojika
Toetry ny endrikin'ny tany
FaritraHaavoToetra fototra
Morontsiraka0–50 mLemaka, be honahona, fandalovan'ny rivodoza 
Alovialy20–100 mLohasaha lonaka, fambolena, mora tondra-drano
Havoana / Lemaka avo100–400 mTany miolikolika, toerana fambolena, mora iharan’ny fikaohon-tany
 Tendrombohitra > 400–500 m Tany be hantsana, be ala, vitsy mponina

  • Ny sarintany dia mitodika any avaratra, izay asehon’ny zana-tsipìka eo amin’ny zorony ambony havanana.
  • Ny laharana ara-jeografika dia aseho manodidina ny sarintany lehibe :
    • Latitude : eo anelanelan’ny 21°00’00’’ Atsimo  sy 21°36’00’’ Atsimo
    • Longitude : eo anelanelan’ny 48°00’00’’ Atsinanana sy 48°36’00’’ Atsinanana

  • Voazara ho kaominina ny distrika dia (aseho amin’ny tsipika mainty mitapatapaka ny fari-piadidian’ny kaominina).
  • Marihina amin’ny teboka mainty ny renivohitra ara-pitantanan’ny kaominina tsirairay (●)
  • Manondro ny fari-piadidian’ny Distrikan’i Mananjary ny tsipika mainty mitohy.
  •  Miseho eo amin’ny sarintany ny anaran’ny kaominina, toy ny Mananjary,
    Ankatafana, Mahaela, sy ny hafa.

.

 


  • Misy lalana nasionaly maro mandalo ny distrika, aseho amin’ny loko mena :
    • RN 11
    • RN 12
    • RN 24
    • RN 25
  • Ireo lalana ireo dia miantoka ny fifandraisana eo amin’ny kaominina sy ny distrika manodidina.


  • Maro ny renirano aseho amin’ny loko manga, toy ny :
    • Mananjary
    • Karana
    • Itsaka
    • Faraony
  • Ny morontsiraka dia manamorona ny Ranomasimbe Indiana any atsinanana.
  • Faritra manokana amin’ny ranomasina na morontsiraka dia voafaritra amin’ny anarana hoe “Faritry” :
    • Faritry Manampana
    • Faritry Moronga
    • Faritry Andranomavoina
    • Faritry Fanaloka