FAMARIPARITANA AN'I MITSINJO
Sarintany maneho an'i Mitsinjo
| Topimaso – Distrikan’i Mitsinjo | |
|---|---|
| Toerana | Faritra andrefan’i Madagasikara, ao amin’ny faritra Boeny |
| Mari-pandrefesana sy mari-piakarana | 16°36’0.0’’ ka hatramin’ny 15°48’0.0’’ Atsimo 45°36’0.0’’ ka hatramin’ny 46°24’0.0’’ Atsinanana |
| Haavo amin’ny ranomasina | Ambany amin’ny ankapobeny |
| Tanjaka ara-pambolena | Mety tsara amin’ny karazana fambolena maro |
| Antony ara-jeografika mampitombo faharefoana | - Akaiky ny ranomasina (Lakandranon’i Mozambika) - Fananan’ny faritra tambajotra rano betsaka - Toerana marefo amin’ny rivodoza sy tondradrano |
| Loza mety hitranga | Rivodoza sy tondradrano |
Mizara ho zana-tsampana telo lehibe ny toetry ny tany ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo : ny lemaka, ny lohasaha iva ary ny lohasaha avo. Ny lemaka sy ny lohasaha iva dia hita indrindra amin’ireo faritra manakaiky ny morontsiraka, indrindra ao amin’ny kaominina Matsakabanja, Antongomena Bevary, ary Katsepy.
Ny lohasaha iva dia manitatra ihany koa mankamin’ny kaominina Mitsinjo, ary amin’ny faritra sasantsasany ao Bekipay sy Antseza. Ireo tany iva ireo dia mety midina hatrany amin’ny 2 metatra ambonin’ny haavon-dranomasina manakaiky ny morontsiraka, fa mahatratra 20 hatramin’ny 30 metatra eo ho eo rehefa miditra lalindalina kokoa an-tanety.
Etsy an-kilany kosa, ny lohasaha avo dia miorina amin’ireo faritra anatiny, indrindra ao amin’ny kaominina Ambarimaningana, izay ahitana tendrombohitra mahatratra hatramin’ny 200 metatra ny haavony. Mivelatra ihany koa izy ireo any atsimo andrefan’i Katsepy, atsimon’i Bekipay, Antseza, Mitsinjo, ary amin’ny faritra kely ao Matsakabanja, na dia somary ambany kely aza ny haavony any, eo amin’ny 100 metatra eo ho eo.
Mba hahatongavana any amin’ilay faritra dia tsy maintsy mandalo an-dranomasina avy any amin’ny tanànan’i Mahajanga aloha, avy eo manaraka ny lalam-pirenena laharana faha-19 (RN19). Lalam-pirenena ity dia lalan-tany manontolo, ka mahatonga ny fidirana ho sarotra, indrindra mandritra ny fotoanan’ny oram-be.
Matetika dia simba noho ny tondradrano sy ny rivo-doza ireo fotodrafitrasa toy ny lalambe sy tetezana, ka mitarika fikatonana sy fahatapahan’ny fifandraisana tanteraka amin’ny fiarahamonina. Izany dia manasarotra tanteraka ny fanaterana vonjy taitra, ny fanampiana maha-olombelona, ary ny asa fanarenana aorian’ny loza.
Ny Sakalava no mponina teratany amin’ity faritra ity. Efa hatry ny ela dia misy vondron’olona avy any atsimo atsinanan’i Madagasikara miasa sy monina ao amin’ny faritra, indrindra amin’ny tany iva ao Matsakabanja sy Antongomena Beavary. Tanjona tamin’izany fifindramonina izany dia ny hanamafisana ny herin’ny mpiasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria, indrindra ho an’ny orinasa Ouest-Sucre, izay fantatra taloha amin’ny anarana hoe SIRAMA.
Amin’izao fotoana izao, dia maro ireo olona avy any atsimon’i Madagasikara no tonga sy mipetraka ao amin’ny faritra, ka mitrandraka ny tany sy ny ala, ary mivelona amin’ny asa fivarotana madinika. Ireo mponina ireo dia miorim-ponenana indrindra amin’ny faritra anatiny. Ankoatra izany, misy ihany koa ireo foko hafa toa ny Tsimihety no monina ao amin’ny faritra, na dia mbola vitsy an’isa ihany aza izy ireo amin’izao fotoana izao.
Ao Mitsinjo, ny fambolena no asa fototra ataon’ny ankamaroan’ny mponina. Any amin’ireo faritra iva, indrindra ao Matsakabanja sy Antongomena Bevary, dia ny fambolem-bary sy ny fambolena fary no tena manjaka. Ny fambolena fary dia tohanana manokana noho ny fisian’ny orinasa Ouest Sucre, izay miorina ao Namakia, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Matsakabanja.

Sary n°1 : Voly fary
Loharano : Nalain’ny ekipan’ny REPRESA Madagascar
Rehefa miha-mahazo elanelana amin’ny morontsiraka ka miditra an-tanety, dia miseho tsikelikely ny fiveloman’ny mponina amin’ny fambolena katsaka, mangahazo, vomanga, anana sy tsaramaso, ary koa amin’ny fitrandrandrahana ny ala. Ankoatra izany, dia anisan’ny fototra ara-toekarena lehibe indrindra ao amin’ny faritra ny jono sy ny fitrandrahana harena an-dranomasina.

Sary n°2 : Voly katsaka
Loharano : Nalain’ny ekipan’ny REPRESA Madagascar
Na izany aza, dia mihamafy hatrany ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro. Miverimberina matetika ireo loza toy ny rivodoza sy tondradrano, ka miteraka fahasimbana lehibe amin’ny voly, ny fiompiana, ary ny fitaovam-panjonoana. Izany no manamafy ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo ao amin’ny faritra. Ankoatra izay, ny tsy fahatombanan’ny rotsak’orana dia misy fiantraikany ratsy amin’ny vokatra azo amin’ny fambolena.
Mandritra ny taona, dia tsy dia miova firy ny mari-pana ao Mitsinjo. Manodidina ny 28°C eo ho eo ny mari-pana antonony. Amin’ny volana Aogositra no tena mangatsiaka indrindra, izay midina hatrany amin’ny 22°C ny hafanana farany ambany. Amin’ny ankapobeny, Oktobra no volana mafana indrindra, miaraka amin’ny mari-pana ambony manodidina ny 34°C.
Isan-taona, manodidina ny 121 andro no ahitana rotsak’orana ao Mitsinjo. Jona no volana maina indrindra, saika tsy misy orana, raha Janoary no volana be orana indrindra, izay mety hahatratra hatramin’ny 415 mm ny rotsak’orana, miaraka amin’ny 27 andro ahitana orana.
Mampitombo ny aretina avy amin’ny rano ny tondradrano, ary manasarotra ny fisitrahana ny rano fisotro madio ary ny tolotra ara-pahasalamana. Ankoatra izany, dia misy ihany koa ny tsy fahampian’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fotodrafitrasa ara-pitsaboana, ary koa ny fahalaviran’ireo tanàna sasany miompana amin’ny fahasarotan’ny lalana, ka vao mainka manaratsy ny toe-draharaha ara-pahasalamana ao amin’ny faritra.
Mitsinjo dia voan’ny tondradrano miverimberina sy matetika mahery vaika, noho ny toerana misy azy eo anelanelan’ny renirano sy ny morontsiraka. Vokatry ny loza, maro amin’ny mponina no voatery mifindra toerana matetika, ary miaina amin’ny fandrahonana goavana amin’ny lafiny fivelomana, fahasalamana, ary fotodrafitrasa.
Ny fitambaran’ny fepetra ara-jeografika sy toetrandro, miaraka amin’ny tsy fahampiana sy fahasimban’ny fotodrafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny faharatsian’ny lalana, ary ny fahantrana mahazo ny ankamaroan’ny mponina, dia mahatonga an’i Mitsinjo ho isan’ireo faritra tena marefo sy sahirana.
Nosoratan'i DAHAD Gabin, Dr. RAZAKAMAHARAVO Velomahanina Tahinjanahary

