Fifanekena masina teo amin'ny Olombelona sy ny Ala
Nisy fotoana taloha dia niara-niaina tamin'ny firindrana tanteraka ny Olombelona sy ny Ala, nifanaja sy nifankatia lalina. Tsy toerana feno zava-maniry fotsiny ny Ala: reny mpiahy izy, fialofana, ary mpanolotsaina ara-panahy. Nomeny am-pitiavana ny zava-drehetra: voankazo, zava-maniry fanasitranana, fototr'ahitra mpiaro, hazo hanorenana trano — ary ambonin'izany rehetra izany, fifandanjana ho an'ny fiainan'ny fiaraha-monina olombelona.
"Mivoady aminao aho ry Ala, fa hosarotiny mandrakariva amin'ny fanatanterahana izay voalazanao rehetra teo."
Ilay voady tsy voatana, natiora voazimbazimba
Rehefa nandeha ny fotoana, niova ny Olombelona. Nihitatra ny tanàna, nitombo ny filàna, ary niara-nitombo tamin'izany ny fitiavan-tena. Ilay fifanakalozana mirindra teo aloha dia lasa fitrandrahana tsy misy fetra. Ny Ala, mbola nifikitra tamin'ny voadiny, mbola nanome foana. Ny Olombelona kosa niha nanadino ny teny nataony. Tsy namboly intsony, tsy noraisiny an-tanana ny vanim-potoana, tsy noraharahiany intsony ny fihodin'ny zava-misy.
Ao anatin'ny Dina Nifanaovana, rehefa mampatsiahy ilay fifanekena ny Ala, dia nihomehezan'ny Olombelona izy. Heveriny ho zavatra efa tranainy, tsy misy lanjany. Safidiny ny handoro ilay noteneniny ho arovana.
Ny vidin'ny fanadinoana
Saingy tsy nanadino ny natiora. Rehefa tsy nisy ny ala, dia niova tanteraka ny tany. Lasa zara raha misy orana… avy eo tonga tampoka, betsaka loatra. Ny tany, tsy nisy fakany hiaro azy intsony, nihasimba. Ringana ny voankazo, maty ny biby, niakatra be loatra ny mari-pana. Tonga ny mosary. Niparitaka ny aretina. Lasa ny fanantenana.
Rehefa tonga ilay orana andrasana dia loza mitatao: safodrano. Tsy nisy hazo hitsentsitra azy intsony ka lasa nanafotra ny tanàna. Tsy sazin'Andriamanitra izany fa vokatry ny fanadinoana, ny tsy fanajana, ny fivadihana ilay fifanekena. Teo anatrehan'ny faharavana vao tonga saina ny Olombelona… Fa moa tsy efa tara loatra?
Lesona ho an'ny taranaka ho avy
Kanefa… tao anatin'ny fahanginana navelan'ny afo, nisy fanantenana nitsiry ho an'ny tany. Taona maro taty aoriana, nisy tanàna kely iray nisafidy ny tsy hanadino. Nianatra namboly hazo ny ankizy. Ny tanora nijery akaiky ny zana-kazo. Ny zokiolona nampita ilay tantara momba ilay voady tsy voatana. Io tanàna io dia nisafidy ny fanajana, fahatsiarovana ary fampitana.
"Dadabe ô, fa nahoana hoy aho isika no tsy maintsy manokana fotoana hambolena sy hanaraha-maso ireo zana-kazo volentsika foana e?"
"Ny ala no fototry ny aina... Fa tsy ny ala no mila antsika."
Antso ho fampahatsiarovana
Dina Nifanaovana dia tsy tantara fotsiny. Fa antso avy amin'ny fo. Antso ho amin'ny fahatsiarovana, andraikitra iraisana, ary fifamelomana eo amin'ny Olombelona sy ny Natiora. Amin'ny fanomezana feo ho an'ny Ala, ny Zaza, ary ny Zokiolona, manasa antsika handinika, hahatsapa, ary hietsika ny ARAKE.
"Ra-Olombelona ô! Aza mandrora mitsilany. Raha ho ripaka ny ala, ho zava-poana koa ny sisa."
Ankarafantsika, mihoatra noho ny ala
Tsy ala fotsiny i Ankarafantsika. Fa harem-pirenena ho an'i Madagasikara, fonenan'ny zavaboary tsy fahita firy sy vondrom-piarahamonina miankina aminy. Ankehitriny dia mihamafy ny fanerena avy amin'ny olona: fanapahana ala, doro-tanety, fanararaotana tafahoatra ny harena voajanahary — manampy trotraka ny fiovan'ny toetrandro. Izany dia manaitra antsika hamerina indray ilay fifandraisana sarobidy nisy teo amin'ny Olombelona sy ny Ala — fifandraisana izay hitarika firindrana ahitana ny natiora antokin'ny fandrosoana.
"Tanora mamboly, antitra manan-kialofana. Ary izay mahakolokolo no manana ny soa."
Io fanamby io dia mitaky fandraisana andraikitra iombonana — manomboka amin'ny olompirenena tsotra ka hatramin'ny manam-pahefana. Ankehitriny, mihoatra noho ny teo aloha, manasa antsika i Ankarafantsika hanangana fomba vaovao hifandraisana amin'ny Natiora. Satria tsy ny Ala no mila antsika… isika no mila Azy.

