Horonan-tsary
Ity fanangonana horonan-tsary ity dia mampiseho ny asa fikarohana nataon'ny REPRESA Madagasikara momba ny fiovan'ny toetr'andro, ny rafitra fampitandremana mialoha ary ny fanohanana ny vondrom-piarahamonina. Ireto loharanom-baovao akademika ireto dia maneho ny lafiny samihafa amin'ny tetikasa sy ny fiantraikany amin'ny vahoaka marefo.
Ambadiky ny sehatra amin'ny REPRESA Madagasikara
Ity horonantsary ity dia mampahafantatra ny asa amin'ny siansa sosialy ataon'ny REPRESA Madagasikara eny amin'ny toerana voafantina ho an'ny tetikasa.
REPRESA Madagasikara : Siansa sahisahy
Ity horonantsary ity dia mampahafantatra ny dingana nandalovan'ny tetikasa fikarohana eto Madagasikara.
Rafitra fampitandremana mialoha mifantoka amin'ny ankizy any Madagasikara
Ny zaza sy ny ankizy no isan'ny marefo indrindra manoloana ny loza izay miseho na voajanahary izany na tsia. Noho izany no namokaran'i Arake sy ny Oniversiten'ny Reading ny SAP KIDDO hoentina ampianarana ireo ankizy hahay hiaro ny ainy sy ny hafa manoloana ny loza mety iseho.
Vokatry ny fiovan'ny toetr'andro mifandimby any Madagasikara
Ity horonantsary ity dia mampiseho ny vokatry ny fiovan'ny toetry ny andro eto Madagasikara.
Rafitra fampitandremana mialoha any Madagasikara
Horonan-tsary hoentina ahampahafantarana ny tokony atao manoloana ny loza mitranga.
Fampiharana ny WP1 sy WP2 an'ny REPRESA sy fivoriana ary atrikasa momba ny Climate Storylines
Horonan-tsary mampiseho ny atrik'asa niarahana tamin'ny tetik'asa REPRESA tany Ampefy.

