Ahoana no hanasongadinanay ny fiaraha-monina amin'ny fiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro?
Ao anatin’ny asa ataonay momba ny Rafitra Fampitandremana Mialoha (SAP) sy ny haiatrika amin’ny fiovan’ny toetrandro, dia tsy mijanona amin’ny fanangonana angon-kevitra fotsiny izahay — fa miara-miasa, mihaino ary manao hetsika. Amin’ny alalan’ny fifangaroan’ny fahalalana siantifika maro sehatra, fifanindrian’ny tsy fitoviana, etika ary fampivelarana ny fiaraha-monina, izahay dia mamadika ho hetsika tena misy vokany ny fikarohana ataonay ho an’ireo vondrom-piarahamonina tena iharan’ny loza ara-toetrandro. Toy izao izany :
Mandrava ny fizarazarana amin’ny alalan’ny fikarohana maro sehatra
Tsy mahalala sisintany ny fiovan’ny toetrandro, ary izahay koa tsia. Mampivondrona mpikaroka manampahaizana amin’ny siansa momba ny tontolo iainana, siansa momba ny toetr’andro, siansa sosialy, mpandrindra hetsika ara-piarahamonina, sy maro hafa izahay. Ohatra, tamin’ny fandinihana ireo faritra mora tondraka, dia nampiasa fitaovana ara-tsiantifika amin’ny fanaovana sarintany izahay, ary koa nitahiry tantara sy fijoroana vavolombelona avy amin’ny fiarahamonina, mba hahafantarana ny fifanindrian’ny jeôgrafia sy ny faharefoana ara-tsosialy. Nahazo endrika feno kokoa amin’ny loza mety hitranga sy ny vahaolana azo tanterahina izahay tamin’izany.
Fanolorana sehatra ny fifanindrian’ny tsy fitoviana
Mino izahay fa tsy tokony hisy ho hadino na ho tsy hita maso eo anatrehan’ny fiovan’ny toetrandro.
Nikarakara atrikasa mitantara – iarahana sy mitsitokatokana – izahay tao anaty fiaraha-monina ho an’ny vehivavy, zokiolona, tanora, ankizy, ary sokajin’olona samihafa — mba hahafantarana ny fomba isehoan’ny loza sy ny fidirana ao amin’ny Rafitra Fampitandremana Mialoha ny isam-bondrona. Afaka mamolavola vahaolana izay miasa amin’ny rehetra izahay amin’ny alalan’ny fitambaran’ireo fijery ireo.
Ny etika no fitarihan-dalana
Fantatray fa tokony hiorina amin’ny fanajana ny fikarohana. Izany no antony iezahanay mampahafantatra ireo mpandray anjara rehetra ny anjara asany sy ny tanjon’ny fikarohana. Tamin’ny fanatanterahana sarin-tany ifandrimbonana, dia niara-niasa tamin’ny mpitarika teo an-toerana izahay ho fanajana ny soatoavina sy fomban-drazana, izay mitarika any amin’ny fifampitokisana sy fifanakalozan-kevitra malalaka. Ny fifehezana etika dia tsy fankatoavana fitsipika fotsiny, fa fanehoana fa hajaina sy ren’ny fiarahamonina ny tenany.
Fanamafisana ny fampivelarana ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny hetsika
Ao anatin’ny asa rehetra ataonay, ny tanjona dia ny hanamafisana ny tanjaky ny fiarahamonina. Iray tamin’ireo fotoana nahafinaritra indrindra ny atrikasa fanatsarana ny Rafitra Fampitandremana Mialoha, izay nandrafetan’ny mponina ny drafitr’izy ireo manokana amin’ny fiatrehana rivo-doza. Ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy sy tanora, avy amin’ny rafitra fanairana miorina eo an-toerana ka hatrany amin’ny tambajotra ifampizarana loharanon-karena, dia porofo fa tena misy vokany tsara ny fahaiza-mamorona miaraka.
Mianatra sy mihetsika miaraka
Tsy mijanona amin’ny famoahana tatitra fotsiny ny fikarohana ataonay — fa manova zavatra tokoa. Rehefa nahita tsy fahatomombanana tamin’ny fizarana vaovao momba ny tondra-drano izahay, dia niaraka niasa avy hatrany tamin’ny mponina teo an-toerana mba hizaha fomba vaovao hanatsarana ny fampitana vaovao. Ireo fandrosoana haingana ireo dia manaporofo fa afaka manampy mivantana amin’ny fanoherana ny fiovan’ny toetrandro ny fikarohana.
Manoloana ny fanomezan-tsehatra ny feon’ireo olona tena voakasika, sy ny fitambaran’ny fahalalana avy amin’ny sehatra maro lafy, dia tsy mandinika fotsiny ny fanamby ara-toetrandro misy izahay — fa manampy ny fiarahamonina hahay hiatrika sy handroso. Miara-miasa isika hanova ny fikarohana ho asa ary ny asa ho fampivelarana.






