Ny sarintany iaraha-mamolavola : fomba fiasa mifototra amin'ny vondrom-piarahamonina
Rehefa misy rivodoza na tondradrano, tena zava-dehibe ny fotoana rehetra. Ka mba hahatonga ho tena mahavonjy aina tokoa ny rafitra fampitandremana mialoha ary mba tena haharitra kokoa ireo safidy haiatrika, dia tokony hifanaraka tsara amin'ny tena zava-misy eny ifotony. Eo indrindra no idiran'ny sarintany iarahan'ny mponina manangana – fomba iray mahery vaika sy ifampizaràna, izay mametraka ny fahalalana avy amin'ny vahoaka eo anivon'ny fiomanana amin'ny loza sy ny fiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro.
Any amin'ireo tanàna amorontsiraka toa an'i Mananjary sy Morombe, ary any amin'ny faritra iva any Mitsinjo, dia miara-miasa akaiky amin'ny fiarahamonina eny an-toerana izahay amin'ny fampivelarana ity fomba fiasa manavao ity. Inona no vokatra azo avy amin'izany? Rafitra fampitandremana mialoha izay tsy vitan'ny hoe marina kokoa, fa tena mifanaraka amin'ireo olana sy tanjaky ny faritra tsirairay koa, ary safidy haiatrika izay manamafy ny fahafaha-miatrika sy fahavononan'ny mponina amin'ny fiovan'ny toetr'andro.
Inona no atao hoe sarintany iaraha-mamolavola, ary nahoana izany no zava-dehibe?
Ny sarintany iaraha-mamolavola dia araka ny anarany mihitsy: famoronana sarintany miaraka amin'ny fiarahamonina, fa tsy ho an'izy ireo fotsiny. Mampiasa ny fahalalana avy amin'ny mponina izany mba hamantarana ny loza mety hitranga, ny loharanon-karena ary ireo toerana azo antoka. Ezaka iombonana izy io, izay mikendry ny hahafantarana hoe aiza no tena voadona mafy raha misy tondradrano, lalana inona no mbola azo aleha, na aiza ireo toerana fialofana akaiky sy mora aleha raha sendra rivodoza.
Any Mananjary, ohatra, ny mponina ao an-toerana no nanamarika fa misy ireo faritra iva izay mora tondraka haingana rehefa misy orambe, faritra izay matetika tsy hita akory amin'ireo sarintany mahazatra momba ny tondradrano. Any Morombe, nizara ny fahalalany avy amin'ny traikefa mivantana ny mpanjono, momba ny fiantraikan'ny onjan-dranomasina amin'ny morontsirak'izy ireo. Ary tany Mitsinjo, nampiseho ireo lalana tena ilaina ny tantsaha, lalana mampifandray ny tanàna amin'ireo faritra avo, làlana manan-danja amin'ny fialokalofana raha misy loza mitranga.
Sary voalohany : Ireo sarintany vitsivitsy niarahana namolavola tamin'ny mponina tany amin'ny faritra Mitsinjo
Loharano : Ekipan'ny REPRESA, Septambra 2024
Famantarana ireo safidy haiatrika : singa fototra amin'ny dingana
Ankoatra ny fanatsaràna ny rafitra fampitandremana mialoha, dia nanampy betsaka ihany koa ny sarintany iaraha-mamolavola tamin'ny famantarana ireo safidy haiatrika mifanaraka amin'ny filàn'ny fiarahamonina tsirairay. Noho ny asa niarahana nanao, ny vondrom-piarahamonina dia afaka nampiseho ireo faritra izay tena ilaina ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny fitantanana ny loharanon-karena ary ny fomba fivelomana hafa mba hanamafisana ny fahafahana miatrika ny fiovan'ny toetr'andro.
Fiarovana ny morontsiraka sy jono maharitra any Morombe
Any Morombe, ohatra, ny mpanjono no namantatra ireo faritra tena marefo amin'ny fiantraikan'ny onjan-dranomasina sy ny fiharatsian'ny morontsiraka. Ho setrin'izany, dia natolotra ny safidy haiatrika toy ny fiarovana ny morontsiraka amin'ny alalan'ny fanarenana ny ala honko sy fampiharana jono maharitra, mba hiarovana ny toekaren'ny faritra sy ny tontolo iainana.
Fanatsarana ny tatatra sy fanaraha-maso ny tondradrano any Mananjary
Any Mananjary, ireo faritra iva izay hita tamin'ny alalan'ny sarintany iaraha-mamolavola dia nosokajiana ho toerana marefo indrindra amin'ny tondradrano. Ho setrin'izany, dia natolotra ireo fepetra haiatrika toy ny fanatsarana ny rafitra tatatra, ny fametrahana sakana manohitra ny tondradrano, ary ny fanangonana ny ranon'orana.
Fambolena mivoatra manoloana ny fiovan'ny toetr'andro any Mitsinjo
Any Mitsinjo, ireo tantsaha dia namolavola sarintany ahitana ireo faritra tena mora voakasiky ny fiovan'ny rotsak'orana sy ny tondradrano. Ho fiatrehana ireo loza ireo, dia azo ampidirina ny safidy haiatrika toy ny fampiharana fomba fambolena mivoatra manoloana ny fiovan'ny toetr'andro.
Fomba nanaovana azy : dingana niarahan'ny rehetra
Mba hamolavolàna sarintany iaraha-mamolavola tamin'ireo faritra ireo, dia niainga avy amin'ny fahalalàna efa ananan'ny mponina izahay:
1 Atrikasa sy fitantaràna tantara
Nizara ny traikefany tamin'ireo loza teo aloha ny mponina: ny toerana nialofany, ny lalana tsy azo nandehanana intsony, ary ny faritra azo antoka sy izay tsy azo antoka.
2 Fandehanana miaraka
Nitondra taratasy sy fitaovana hafa, niaraka tamin'ny mponina sy ny ekipanay izahay nandeha teny an-tsaha, amoron'ny renirano, ary tany an-tanàn-dehibe.
3 Sarintany natao tanana
Tamin'ny fivoriana niaraka, niara-niasa izahay nanoritra sarintany tamin'ny taratasy lehibe, nampifanindry ny fahalalàna avy amin'ny mponina sy ny angon-drakitra ara-teknika.
4 Fampidirana ny teknolojia
Nampiasa fitaovana toy ny rafitra fampahalalam-baovao momba ny jeografia (SIG) izahay mba hampifangaroana sary avy amin'ny zanabolana, toetry ny tany, ary angon-drakitra momba ny toetr'andro.
Manome aina ny sarin-tany : fiantraikany amin'ny fiainana andavanandro
Ka inona marina no ataon'ireo sarin-tany ireo?
- Fampitandremana kendrena - Hamantarana ireo faritra tena marefo indrindra mandritra ny rivodoza
- Lalana fialofana - Mampiseho ireo lalana mankany amin'ny faritra avo izay azo antoka
- Fiarovana ny fivelomana - Manampy ny mponina hiaro ny asa fivelomany
- Famantarana ny safidy haiatrika - Mampiseho ireo toerana ahafahana mampihatra ny fepetra haiatrika
- Fananganana fitokisana - Fampidirana ny fiarahamonina ao anatin'ny dingana
Sary faharoa : Famolavolàna sarintany niarahana tamin'ny mponina tao Toliara
Loharano : Ekipan'ny REPRESA, Aogositra 2024
Nahoana no zava-dehibe ho an'ny rehetra izany
Tsy vitan'ny fanamboarana sarintany tsara kokoa fotsiny ny sarintany iaraha-mamolavola, fa mikendry ihany koa ny hanamafy ny fiarahamonina. Amin'ny tontolo izay ahitana ny fiovan'ny toetr'andro manafaingana sy mampitombo ny tranga mahery vaika mifandray amin'izany, dia tsy maintsy miomana tsara kokoa isika rehetra. Ny asa nataontsika tany Mananjary, Morombe, Ankarafantsika ary tany Mitsinjo dia manaporofo fa rehefa tafiditra ao anatin'ny vahaolana ny fiarahamonina, dia mahomby sy mandray anjara bebe kokoa ny vokatra azo.
Inona no dingana manaraka?
Tsy mijanona eto ny asantsika. Raha mbola mitohy mivoatra ny sarintany, dia manolo-tena izahay hanofana ny mpitarika eo an-toerana sy ny fiarahamonina mba hanavao azy ireo tsy tapaka. Mandinika ihany koa izahay ny fomba hampidirana ity fomba fiasa ity any amin'ny faritra hafa, mba hahazoana antoka fa ny fahalalàna sy ny fitaovana novolavolaina tany Mananjary, Morombe, Ankarafantsika ary Mitsinjo dia hahavita hanentana sy hanamafy ny faharetan'ny fiarahamonina eto Madagasikara sy any amin'ny toerana hafa.
Noforonin'i Gabin DAHAD sy Dr. Velomahanina Tahinjanahary RAZAKAMAHARAVO

