Fampiasana hira amin’ny rafitra fampitandremana mialoha any Morombe, Madagasikara

  • Tongasoa
  • AWS-MG
  • Fampiasana hira amin’ny rafitra fampitandremana mialoha any Morombe, Madagasikara

Rehefa tsy mahomby ny teny, dia miteny ny mozika

0:00 / 0:00
Hira fanetantanana momba ny rivo-doza Morombe

Mizaka tsindry mafy ny paikady mahazatra amin’ny fampitana ny loza mety hitranga rehefa mitombo hatrany ny hamafiny sy ny fahabetsahan’ny loza vokatry ny fiovan’ny toetrandro. Tsy fanamby ara-teknika fotsiny ny fanaparitahana fampitandremana ara-potoana fa fanamby ara-kolontsaina sy ara-pisainana koa any amin’ireo fiarahamonina mitoka-monina, tahaka an’i Morombe, any atsimo andrefan’i Madagasikara.

Manoloana izany zava-misy izany, dia nisafidy fitaovana iray tsy dia mahazatra nefa lalim-paka ao amin’ny kolontsaina an-toerana ny ONG ARAKE, tamin’ny alalan’ny tetikasa REPRESA : dia ny mozika.

Ny mozika ho toy ny fitaovana stratejika amin’ny resaka fifandraisana

Ny fanapahan-kevitra hamorona hira momba ny rafitra fampitandremana mialoha dia tsy natao ho safidy ara-kreativa ihany, fa paikady voadinika tsara. Ao amin’ny kolontsaina am-bava, ny mozika dia miasa ho toy ny tohana amin’ny fahatsiarovana sy ny fampitàna ny fahalalàna iombonana. Amin’ny alalan’ny fampidirana fihetsika mivaingana amin’ny fiomanana amin’ny loza ho amin’ny hira sy ny gadona, dia manana anjara asa telo lehibe ny hira : 

  • Fitadidiana ambony : manamora ny fitadidiana ireo torolalana sarotra ny feon-kira manintona. 
  • Fihetseham – po : Misarika ny saina ny mozika, mahatonga ny fiaraha – miory, ary mahatonga ny olona hifampatoky amin’ny hafa. 
  • Vatofantsika ara-kolontsaina: ny fampiasana ny tenim-paritra eo an-toerana sy ny fitaovana nentim-paharazana dia manorina fitokisana sy fahatsapana fanakaikezana. 

Izany dia maneho ny fahamarinana fototra momba ny fifandraisana amin’ny loza : ny fahatokisana ny mpitondra hafatra sy ny fahazoana ny hafatra dia manan-danja toy ny votoatiny. 

Famoronana mifototra amin’ny kolontsaina eo an-toerana 

Mampiasa tenim-paritra sy fitaovana nentim-paharazana toy ny anjomara sy ny kabosy ny hira novokarin’ny ekipa ARAKE. Nalaina avy amin’ny teny filamatra nampiasain’ny BNGRC: “ Izay tsara fiomanana tsy ho tampohin’ny loza” ny tononkira.

Mihoatra lavitra noho ny vaovao fotsiny ny hira amin’ny fampidirana ny hafatra ao anatin’ny ohabolana sy ny fanoharana ara-panahy eo an-toerana,: manamafy ny toetra hanomanana ao anatin’ny fomba fanao ara-kolontsaina ao amin’ny fiarahamonina. 

Manova ny vaovao ho lasa hetsika 

Ny hira dia manova ny vontoatiny ara-teknika ho lasa hetsika azo tsapain-tanana, amin’ny fanazavana manokana: 

  • Inona no dikan’ny sokajin’ny fanairana (Maitso, Mavo, Mena, Manga) 
  • Ny hetsika atao amin’ny dingana tsirairay, na ho an’ny tenanao na amin’ny fianakaviana 
  • Ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientana ao amin’ny fiarahamonina aloha, mandritra, ary aorian’ny loza. 

Ny fanovàna ireo tandindon-doza tsy misy endrika ho lasa toe-javatra azo takarina sy ny fanasokajiana izany amin’ny mozika, dia manatsara ny fandraisana ny hafatra sy ny fanomanana ny mponina, indrindra fa ho an’ireo izay tsy manana fidirana amin’ny fantsona ofisialy. 

Ireo lesona ho an’ny fampihenana ny loza

Tsy tantara madinika ara-kolontsaina fotsiny ilay traikefa natao tany Morombe. Fa manome lesona mazava sy azo ampiharina amin’ny fampihenana loza maneran-tany izy io :

  • Tokony hifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana ny fampitana hafatra momba ny loza : amin’ny lafiny ara-teknolojia, ara-piteny ary ara-kolontsaina.
  • Tsy fanampiny fotsiny ny fomba ara-javakanto, fa tena paikady, indrindra amin’ireo faritra marefo sy sarotra idirana.
  • Fiomanana amin’ny loza dia dingana ara-tsosialy ihany koa, fa tsy teknika fotsiny : manamafy ny maha-iray, ny firaisan-kina ary ny fampitohizana fahalalana eo amin’ny taranaka ny mozika.

Ankehitriny, efa alefa amin’ny onjam-peo eny an-toerana ilay hira, tafiditra ao anatin’ny fitaovana fanairana, ary ampianarina any an-tsekoly. Manana anjara toerana amin’ny sehatra maromaro izany izy : fanabeazana, fihetseham-po, ary asa mivantana.

Mankany amin’ny fahafaha-miatrika maha-olombelona kokoa

Tsy ampy intsony ny antontan’isa sy ny fampitandremana amin’ny fiatrehana ny loza. Tsy maintsy mifandray amin’ny zavatra iainana mivantana koa izany. Any Morombe, izany zavatra iainana izany dia aseho amin’ny feon’ny amponga, ny gadona, sy ny hiragasy.

Nampiasain’ny fiarahamonina ny mozika mba hamolavolana indray ny hevitry ny fahafaha-miatrika : tsy toromarika midina avy eny ambony, fa hira maneno avy ao anatiny. Raha vao miha-mahery ny loza mifandraika amin’ny toetrandro, ny fanairana mahery indrindra dia mety ho ilay ilay voatahiry… ao am-po.

Raha fintinina, tsy famerenana fotsiny intsony ilay hira : voa ambolena ao amin’ny sainam-pirenena izy io, ka ny vokatra dia fiarahamonina mahay miatrika ny loza.

« Ny fisorohana amin’ny alalan’ny hira, dia toy ny famafazana fihetsika mpamonjy aina » — DAHAD Gabin

Tsindrio eto raha hiaino ilay hira

 Nosoratan’i  Gabin DAHAD & Dr Velomahanina Tahinjanahary RAZAKAMAHARAVO