Lalana marefo mankany amin’ny fahaiza-miatrika saingy efa miainga
Ao amin’ny faritra andrefan’i Madagasikara no misy an’i Matsakabanja, kaominina iray izay fantatra fahiny tamin’ny habetsahan’ny vokatra ara-pambolena sy fiompiana. Ankehitriny anefa, anisan’ireo tena iharan’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro izy. Niova tanteraka ny toe-karena ifotony, izay niankina hatramin’izay tamin’ny toetr’andro voalanjalanja sy tany lonaka. Ary tena mahery vaika ireo fiovana ireo, fa tsy zavatra mora odian-tsy hita akory. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, nihena ny rotsak’orana : 2 000 mm isan-taona teo aloha ary nidina ho 500 mm fotsiny tamin’ny taona 2023. Teo aloha, volana Aogositra dia efa nanomboka ny fotoanan’ny orana, ankehitriny kosa dia miandry hatramin’ny Oktobra vao mety hisy orana – ary indraindray aza tsy misy mihitsy. Niteraka fikorontanan’ny tetiandro fambolena izany, nampiadana ny famafazana, nampihena ny vokatra, ary mampitombo ny tsy fahampian-tsakafo.

Nanampy trotraka izany koa ny tondra-drano. Ny tohodrano ao Antongomena Bevary, izay fiarovana lehibe tamin’ny fotoana fahavaratra, dia efa tsy mahavita intsony ny andraikiny. Misy fahasimbana sy fikorontanana amin’ny rafitra, ka miteraka fiakaran-drano miverimberina, manimba ny tany lonaka ary mandrava tanimbary. Vokatry ny fiparitahan’ny fasika, dia 600 hektara amin’ny tanimbary sy tanim-bokatra fary no tsy azo volena intsony. Tsy resaka tontolo iainana fotsiny izany, fa tena fatiantoka ara-toekarena mivantana, manohintohina ny fiveloman’ny mponina an’arivony sy mampihena ny fahafahan’ny kaominina mahavita tena.
Miezaka miatrika izany ireo mponina, saingy voasakana noho ny tsy fahampian’ny loharanom-bola sy fanohanana. Tsy mbola ampy ny fipariahan’ireo teknôlôjia maoderina hiatrehana ny fiovana, toy ny masomboly mahazaka haintany, rafitra fitantanana rano mahomby, na fomba fanajariana tany mandaitra. Antony manakana izany ny fahantrana, ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ary ny tsy fisian’ny fanohanana ara-panjakana. Noho izany dia miantehitra amin’ny fahaiza-manao nentin-drazana ny mponina : manova tetiandro fambolena, manova fomba fitahirizana, miezaka amin’ny fomba tsotra. Saingy ambony lavitra noho izay vitan’izy ireo ny olana. Mbola marefo sy tsy mitovy amin’ny rehetra ny fahaiza-miatrika.

Tsy mitovy ny fiantraikany amin’ny tsirairay :
Rehefa miakatra ny rano, anisan’ny marefo indrindra ny vehivavy sy ny ankizy, indrindra ireo renim-pianakaviana sy mpianatra. Mirobo-drano ny tanàna rehefa avy ny orana. Tsy afaka mamboly intsony ny vehivavy rehefa feno rano ny tany, ka simba ny vokatra. Mivalana ny ankizy ary marary satria tsy misy fidiovana sy rano fisotro madio.
Hoy ny zokiolona iray: “Tamin’ny 1991, dobo tanteraka ny rano ary tapaka avokoa ny lalana, betsaka ny narary ary maro mihitsy no maty noho ny tsy fisian’ny fanampiana ara-pitaterana.”
Misy anefa ny olana eo amin’ny fandraisana an-tanana sy fiahiana ireo sokajin’olona rehetra. Any amin’ny toeram-pialofana, tsy voazara araka ny filàna ireo olona mitady fialofana : mitambatra ao avokoa ny vehivavy sy ny lehilahy, ireo ankizy sy olona sembana, ny zokiolona ary ny bevohoka. Lasa zary manimba ny hasin’ny olona ilay fialofana satria na ny fanovana akanjo aza dia sarotra atao.
Miova koa ny firafitry ny fiaraha-monina. Rehefa miharatsy ny toetr’andro any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, dia maro amin’ny fianakaviana no mifindra monina ho any Matsakabanja hitady fiainana tsaratsara kokoa. Taloha, dia ireo avy amin’ny foko Sakalava, Tsimihety, ary avy any atsimo atsinanana no tonga tao. Ankehitriny, mifindra ao amin’ny kaominina ireo avy any atsimo, izay voa mafy amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Soa ihany fa mipetraka ao an-toerana ny firaisankina sy ny kolontsain’ny fandraisana — mifampizara sy mifameno hatrany ny mponina vaovao sy ny teratany. Saingy mipetraka ireo fanontaniana hamaritra ny ho avy : ahoana no hahazakan’ny eo an-toerana ny fitomboan’ny tinady ? Ho lasa loharanon’ny fifandirana ve ny tany sy ny loharanon-drano ? Ary azo atao ve ny manambatra ny fifindra-monina sy ny paikady ho amin’ny fampandrosoana, fa tsy hijery azy ho tranga vonjy maika fotsiny?
Ankoatra izany, nisy ezaka natao hanamafisana ny fiomanan’ny fiaraha-monina. Natsangana ny Rafitra fampandrenesana mialoha eny anivon’ny fokontany mba hanampy amin’ny fiomanana amin’ny loza voajanahary. Tafiditra ao anatin’ny rafitra nasionaly izy io, ary mampiasa kaody miloko : maitso (fiarovana), mavo (fanairana), mena (loza mitatao). Nampahafantarina ny mponina amin’ny alalan’ny fanentanana izany, miaraka amin’ny fanazavana momba ny toerana ametrahana saina sy ny dingana tokony harahina. Misy ihany koa ireo hetsika fanabeazana momba ny fitondran-tena sahaza amin’ny trano fialofana, fanajana fahadiovana, fiarovana ny olona marefo (vehivavy bevohoka, antitra, sembana), ary fandraisana andraikitra iraisana mandritra ny krizy.

Na dia manamarika dingana lehibe aza izany, miseho ihany koa ireo lesoka eo amin’ny rafitra. Mahazo fahalalana ny vahoaka, saingy tsy ampy ny loharanom-pitaovana hanatanterahana izany amin’ny tena fiainana. Fantatry ny olona izay tokony hatao, saingy tsy ampy ny fotodrafitrasa, ny fanohanam-bola, na ny fanohanan’ny fanjakana. Anisan’ny tena andraikitry ny ben’ny tanàna sy ny zandary amin’ny fotoana maha-voina ny miantoka ny filaminana, manome fanampiana, ary manaparitaka ny hafatra fanairana. Saingy mbola saro-pady ny fifandrindrana, tsy voaomana tsara ny teti-bola, ary tsy mazava ny vinavina maharitra.
Ny asehon’i Matsakabanja dia mariky ny zava-misy any amin’ny faritra ambanivohitra maro maneran-tany izay marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro : efa eo am-panaovana ny fiezahana hifanaraka amin’ny zava-misy izy ireo, saingy ambanin’ny fanerena sy ny vesatra mafy. Tsy mipetrapetraka ireo fiaraha-monina — mianatra, manova zavatra araka izay tratra, ary miezaka mandamina. Kanefa raha tsy misy fampiasam-bola goavana amin’ny fotodrafitrasa, ny fahaiza-manao ara-teknika ary ny fandrindrana eo amin’ny sehatra ara-panjakana, dia tsy hisy vokany ireo ezaka rehetra ireo. Ankoatra izay, misy lesona azo tsoahina amin’ny traikefa ao Matsakabanja ho an’ny politika nasionaly sy iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetrandro. Zava-dehibe ny fampiasam-bola amin’ny fotodrafitrasa — toy ny tohodrano sy ny fitantanana rano. Tokony ho angonina sy hampidirina amin’ny paikady koa ny fahalalana nentin-drazana, toy ny an’ireo raiamandreny Sakalava. Tokony hojerena ihany koa ny fifindra-monina ho paikady hiatrehana ny fiovana, fa tsy ho fiavian’ny krizy fotsiny. Ary indrindra, ny fahaiza-miatrika dia tokony hojerena ho fizotran-dingana, fa tsy ho tanjona tokana : mila fianarana tsy tapaka, fandraisan’anjaran’ny fiaraha-monina, ary fanohanana avy amin’ny manampahefana.
Miezaka miatrika i Mitsinjo, saingy mbola marefo hatreto. Efa mipoitra ireo voa ho amin’ny fahaiza-miatrika eo anivon’ny ezaka ataon’ny vahoaka — ny fahaiza-manao ifotony, ny fahalalalana ara-kolontsaina, ary ny firaisankina. Fa ilaina tokoa ny fanohanana avy any ivelany. Anjaran’ny mpanao politika, ny mpamatsy vola, ary ny mpisehatra amin’ny fampandrosoana no manamafy sy manohana ireo ezaka efa ataon’ny mponina : manangana rafitra mahazaka ny tera-doza ara-toetrandro ankehitriny, sady miomana sahady amin’ireo mbola mafimafy kokoa izay mbola miandry antsika..
Ity bilaogy ity dia nosoratana taorian’ny fifanakalozan-kevitra voaangona nandritra ny fandaharana an’onjampeo natao tany Mitsinjo nandritra ny asa teny ifotony.
Azonao atao ny mihaino izany amin’ny alalan’ity rohy ity — “Karoke” no anaran’ilay fandaharana.
Nosoratan’i Ny Ony Patricia ANDRIAMAHENINTSOA & Dr Velomahanina Tahinjanahary RAZAKAMAHARAVO

