Rivodoza Batsirai tao Morombe: Manoloana ny fomba amam-panao sy ny fanamby , ny ady atrehin’ny vondrom-piarahamonina

  • Tongasoa
  • AWS-MG
  • Rivodoza Batsirai tao Morombe: Manoloana ny fomba amam-panao sy ny fanamby , ny ady atrehin’ny vondrom-piarahamonina
0:00 / 0:00
Fandaharana KAROKE Morombe

 

Isan-taona, miatrika fandrahonana mitohy avy amin’ny rivodoza i Madagasikara — loza voajanahary izay manakorontana lalina ny fiainan’ireo fiarahamonina amoron-tsiraka. Anisan’ireo rivodoza mahery vaika indrindra tato anatin’ny folo taona, namely mafy ny faritra Morombe ny rivodoza Batsirai, faritra onenan’ny mponina izay mifandray akaiky amin’ny ranomasina sy ny fandehan’ny natiora.

Sary rivodoza 1

Manoloana ity loza mitranga miverimberina ity, mampifangaro fahalalana nentin-drazana, fombafomba ara-panahy ary fitaovana maoderina ny fiarahamonina Vezondriaka mba hanomanana sy hiatrehana izany. Na izany aza anefa, eo anatrehan’ny fiovan’ny toetrandro sy ny fahalemen’ny fotodrafitrasa, dia mbola maro ny fanamby atrehin’izy ireo.

Ahoana no hiatrehan’ny Vezondriaka ny loza 

Ritualy Lonake

Manana fifandraisana manokana amin’ny rano sy ny ranomasina ny Vezondriaka, izay manampy azy ireo amin’ny fanomanana ny fisehoan’ny rivodoza. Mifototra amin’ny sehatra telo izany fomba fanao izany :

  • Fahalalana nentin-drazana : Tahaka ny Ampanjaka any Mananjary, manana ny mpitarika ara-panahiny manokana ny Morombe — ilay atao hoe Lonake. Izy no mitarika fombafomba masina antsoina hoe liturgia ho fanomezam-boninahitra ny Razana (razambe), izay andehanan’ny fiarahamonina mivavaka hisorohana ny rivodoza. Manolotra tantely na toaka ho sorona izy ireo amin’izany.
  • Fijerena famantarana voajanahary : Mandinika ny fiovan’ny lanitra — kintana, volana, rivotra — ny mponina, izay efa zatra mamantatra izay ho toetr’andro. Ity fahaiza-mamaky famantarana ity dia manampy ireo fampitandremana ara-panjakana.
  • Fitaovana maoderina : Mampiasa saina miloko izy ireo mba hilazana ny haavon’ny loza amin’ny mpanjono, toy ny rafitra fampitandremana mialoha izay azon’ny rehetra takarina.

Rafitra fampitandremana

Raha sendra loza dia misy ekipa maromaro eny an-toerana vonona hiasa :

  • Fandrindrana toerana fialofana : Misy ekipa mandamina ny fanokafana toerana handraisana olona, indrindra ireo ELS (Ekipa eny ifotony).
  • Fitantanana loharanon-karena : Misy koa ireo miandraikitra ny fanangonana sy fitsinjarana sakafo.

Na izany aza anefa, araka ny voalazan’ny taranak’i Lonake iray, dia efa manomboka very anjara toerana amin’ny tanora ny fomban-drazana, ka tandindomin-doza ny fandalovana amin’ny taranaka manaraka.

Fiantraikan’ny rivodoza Batsirai tao Morombe

Fahavoazana ara-pambolena

  • Fambolena : Rava tanteraka ny tanimboly, lena ny tanimbary, ka niteraka fatiantoka lehibe ho an’ny tantsaha.
  • Toekarena : Voa mafy ny toekarena eo an-toerana izay miankina amin’ny jono sy fambolena, ka nitarika krizy ara-toekarena ho an’ny fiaraha-monina.
  • Kolontsaina : Noho ny fihamafisan’ny rivodoza na dia eo aza ny fombafomba ataon’ny Lonake dia mihena ny finoan’ny olona amin’ireo fanao ara-panahy, izay manalemy ny firaisankina ara-kolontsaina eo amin’ny fiarahamonina.

Fiaraha-monina tra-boina

Sakantsakana amin’ny fanarenana sy fahamailoana

Namariparitra ny olana fototra amin’ny fiarenana maharitra ny mponina sy ny tompon’andraikitra ao an-toerana, toy ny Ben’ny Tanànan’i Morombe, Atoa Adolphe :

  • Fanarenana miadana : Mbola miadana sy tsy ampy ny fanamboarana fotodrafitrasa na dia miezaka aza ny mpamboly sy ny fanjakana.
  • Fahabangana amin’ny rafitra fanalana rano : Tsy fisian’ny fantsona fanalana rano dia mahatonga ny tondradrano hihamafy.
  • Fialofana vonjy taitra tsy ampy : Vitsy loatra ireo toerana azo andraisana olona, ka mitombo ny fahaverezan’ny aina sy fananana.
  • Sarotra ho an’ny sembana : Mbola saro-dalana amin’ny olona manana fahasembanana ny fidirana amin’ireo toerana azo ianteherana, ka manakana ny fiarovana sy fandraisana anjara ara-drariny.

Fanarenana trano

Mampifandray ny nentin-drazana sy ny ankehitriny ho fanarenana matotra

Manaporofo ny traikefa tao Morombe manoloana ny rivodoza Batsirai fa miankina amin’ny fifandanjana eo amin’ny fomban-drazana sy ny rafitra ankehitriny ny fahafahan’ny fiarahamonina miarina amin’ny krizy. Ilaina ny fiarovana sy fanamafisana ireo fahalalana nentin-drazana — toy ny fomban’ny Lonake sy ny famakiana famantarana — amin’ny fanatsarana ny fahamailoana.

Nefa ilaina koa ny fampiasam-bola hentitra : fotodrafitrasa maharitra, fanamafisana ny rafitra vonjy taitra, ary fandrindrana miompana amin’ny olona marefo indrindra.

Manoloana ny fitomboan’ny risika ara-tontolo iainana, ny fiarovana ny lova ara-kolontsaina sy ny fanamafisana ny firaisankina eo an-toerana dia fototra ilaina amin’ny fananganana ho avy azo antoka sy maharitra.

Fiaraha-monina miray hina

« Ao Morombe, mifamatotra ny fomban-drazana sy ny fahamailoana. Fa mba hahafahan’ny fiarahamonina miatrika sy mifoha indray, dia tsy maintsy tohanana, arovana ary ampidirina — alohan’ny loza, mandritra izany ary aorian’izany. »

Nosoratan’i Salohiarisoa Rebeckah & Dr Velomahanina Tahinjanahary RAZAKAMAHARAVO

Tsindrio eto raha te hihaino ilay fandaharana manontolo